Vous êtes ici :

Lundi 25 Novembre 2024

ombre

Cnaps Fenoarivo-Atsinanana – Nisy fampahafantarana ny fiahiana ara-tsosialy

Tsy diso anjara tamin’ny fiofanana fampahafantarana ny rehetra momba ny lalàna mifehy ny asa sy ny lalànan’ny fiahiana ara-tsosialy ny distrikan’i Fenoarivo-Atsinanana. Naharitra roa andro ny fiofanana, ka nitarika izany ny lehiben’ny sampan-draharaha Sass Randrianarijaona Charles Emilson sy ny ekipany. Voakasik’izany ny sehatra ankapobe, ny fampianarana, ny fiangonana, ny asa an-tsambo, ny asa an-trano. Araka ny lalàna velona dia ireo mpiasa amin’ny sehatra tsy miankina sy ny mpiasa Ecd amin’ny fanjakana no ahian’ny Cnaps. Nampahafantatra ireo andinin-dalàna mifehy ny fiahiana ara-tsosialy toy ny tsy maintsy ampidirana ny mpiasa ho mpikambana Cnaps 15 andro aorian’ny nandraisana azy, ny fanefana ny latsakemboka sy ny fanaovana fanambaràna filazan-karama isaka ny telovolana, ny fomba fanaovana fangatahana ny fanampiana any amin’ny Cnaps, ireo tombotsoa azon’ny mpampiasa amin’ny fampidirana ny mpiasany ho mpikambana ao. « Zava-dehibe daholo ny fiofanana na ilay mikasika ny satan’ny asa, na ilay mikasika ny lalànan’ny fiahiana ara-tsosialy, mbola tsy feno ny fahalalako teo aloha, ka ny fiofanana no nahafahako nampitombo ilay fahaizako mba hahafahako mitantana tsaratsara kokoa ny mpiasako amin’ny manaraka », hoy Jerry Laurent Edouard mpandray anjara tamin’ny fiofanana.  Notsiahivina nandritra ny fiofanana ny hetsika telovolan’ny Cnaps, fanomezana atolotry ny Cnaps ny mpampiasa amin’ny fanamorana amin’ny fanefana ny latsakemboka ary foana amin’izany ny sazy sy ny tatao 10%. Nanomboka ny 01 oktobra teo izany ary tsy hifarana raha tsy ny 31 desambra ho avy izao. Hetsika izay tafiditra indrindra amin’ny fanamarihana ny faha-60 taona nisian’ny fiahiana ara-tsosialy teto Madagasikara.

S.A

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre