Vous êtes ici :

Mardi 26 Novembre 2024

ombre

Tsinengea Toliara – Trano may kila tsy nisy noraisina

Fianakaviana maro no traboina noho ny haintrano nitranga tao amin’ny fokontany Tsinengea Toliara omaly alarobia. Levona tsy nisy noraisina avokoa ireo trano main’ny afo. Niezaka nanao izay azony atao ihany ny fokonolona mandra-pahatongan’ny mpamono afo avy amin’ny seranam-piaramanidina fa tsy voafehy ny afo. Na izany aza, soa fa voasakana ihany ny loza ka mba tsy nihitatra tamin’ny trano manodidina. Trano hazo avokoa ny ankamaroan’ny trano any an-toerana, ary iaraha-mahalala ihany koa ny fisian’ny rivotra miaraka amin’ny hafanana. Raha sanatria ka tsy voafehy ny afo dia vao mainka zava-doza no nitranga fa tsy maintsy nahazo vahana ny afo ary saika zava-doza no niseho.  Tena nanao ezaka tokoa ny rehetra niara-nientana namono ny afo saingy kila tanteraka ilay trano, tsy nisy koa ny aina nafoy.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre