Vous êtes ici :

Mardi 26 Novembre 2024

ombre

St Vincent de Paul Ambatonilita – Mpianatra enina mianadahy niara-nanjavona

Lasa tokoa ny sain’ny maro mandinika ny zava-misy satria dia mahavalalanina ihany ity tranga iray ity. Mpianatra enina, 14 taona hatramin’ny 16 taona no indray tsy hita ny alatsinainy 7 novambra lasa teo taorian’ny firavan’ny mpianatra  tamin’ny 5 ora hariva. Mpianatry ny sekoly St Vincent de Paul Ambatonilita eto Antananarivo avokoa izy ireo. Mpinamana sy iray kilasy izy rehetra ireo. Izany tokoa no tia andrakandrana ka manao hadalana sa nisy naka ankeriny. Ny tany efa tsy milamina nefa dia tsy mba tsapan’ireo tanora ny fitaintainana mahazo ny ray aman-drenin’izy ireo. Eny fa na dia ireo namana mpiara-mianatra aza tsy misy nahalala ny lalana nomban’izy ireo.  Raha ny loharanom-baovao azo momba ireo zaza very ireo dia i Randrianasolo Heriniaina Marc manao akanjo mafana “Capuchon” misy soratra maintso mazava na “fluo”, pataloha “jean” mainty, Kiraro Air Jordan fotsy sy manga. Randrianasolo Herilaza Luc : Blouson mainty, Bermuda na pataloha manasasaka ranjo miloko miaramila ,kiraro fotsy misy sary manga lanitra. Rafidison Sariaka Valisoa Andriatahiana miankanjo ambony mainty, legging na pataloha manara-batana mainty na pataloha mavo, ballerine mainty. Izay no tena fantatra fa ny naman’izy ireo kosa i Vonjy, Rolland  ary i Toky dia tsy fantatra ny akanjo nanaovan’izy ireo. Fa ny ahafantarana azy ireo dia samy mitondra kitapo babena avokoa. Koa miangavy ny fianakavian’izy ireo mba hiantso ireto laharana ireto izay mahita azy ireo: 034 40 365 69 / 033 29 807 22 / 033 11 793 79 / 033 02 775 86.

Marihina fa vao tsy ela koa izay dia mpianatra ampolony maro no tratra nifoka rongony tany amin’iny faritra Itaosy iny ary niandahy niambavy mihitsy izy ireo. Izao dia ankizy enina indray koa no indray miaraka tsy hita. Tsy sanatria maniry ratsy akory.  Fa ny fitaizana ve no tsy ampy sa ny vanim-potoana misy antsika izao no efa mandroso loatra ka samy manandrakandrana avokoa ny tanora. Raha ny fijery ny rehetra amin’ny taona misy azy ireo dia ao anaty adolantseto ka ao anatin’ny tena fanandrakandramana tokoa izy ireo amin’izao fotoana izao.

Safidy Andrianina

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre