Bemahatazana – Kamiao tapaka hisatra, nahafaty olona telo
Lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray no nitranga teny amin’iny lalam-pirenena faha 36 mampitohy an’ny Firavahana sy Mahitsy iny ny talata lasa teo tokony ho tamin’ny 7 ora sy 30 minitra hariva tany ho any. Raha ny marimarina kokoa dia teo amin’ny Pk 74+500 eo Alakamisy taloha, fokontany Bemahatazana no nitrangan’ity loza ity. Fiara kamiao nitondra entana mavesatra iray, izay nidim-pidinana be no tapaka hisatra fijanonana teo amin’io toerana voalaza io. Vokatry ny vesatra noentin’ilay fiara dia tsy nahatana familiana intsony ilay mpamily na dia efa nitady hevitra nijanonana ihany aza izy. Nidona tamin’ny andritany ilay fiara, Noho izany dia nivadibadika ambony ambany ary teo ampovoan’ny arabe no niafarany. Vokatry ny dona mafy nahazo ireo olona tao anatiny dia maty tsy tra-drano ilay mpamily. Ny nampalahelo anefa dia mpianaka, izany hoe renim-pianakaviana sy ny zanany kely no voahitsak’io fiara io. Ireto farany izay efa naka sisiny ihany araka ny voalazan’ireo nanatri-maso. Saingy tao anatin’ny fotoana vitsy monja dia efa tafidina teny ambany ilay kamiao ka tsy nanana fotoana nitsoahana sy nangalana sisiny intsony izy mianaka. Vokatr’izany dia niparitaka eraka ny arabe ny ràn’izy mianaka ary tsy vitan’izany fa tena potika tokoa ny razana, noho ny dona mafy nihatra tamin’izy ireo. Ilay zazakely moa dia vao heritaona monja. Tsy misy intsony ny azo atao afa-tsy nanarona lamba ny razana sy nanangona ny fotsim-bary niparitaka eraka ny lalana. Nananosarotra ny fisokirana ireo mpandeha tao anaty fiara. Ireo mpivarotra fasika sy olona nahita ny loza no nifanome tanana tamin’ny famoahana ireo naratra mialohan’ny fahatongavan’ny mpitandro filaminana. Ankoatra izay dia olona roa hafa koa no voadona tamin’io fotoana io saingy tsy tena mafy. Naratra mafy ihany koa izy ireo ka nalefa avy hatrany tany amin’ny Csb II ao Firavahana.
Ra Tax.