Tsy misy demokrasia izany
Vita iny ny fifidianana filoham-pirenena amerikanina izay nandresen’ny kandida Donald Trump avy amin’ny repoblikanina. Amin’ny maha firenena matanjaka indrindra maneran-tany azy dia tsy Etazonia irery no voakasiky ny fanovana mety hapetrak’ity filoha faha 45 ity fa izao tontolo izao mihitsy. Tsikaritra kosa anefa ny toe-tsain’ny amerikanina nandritra ny fampielezan-kevitra sy nandritra ny fifidianana ary taorian’ny fifidianana. Mitovy amin’ny malagasy sy ny afrika ihany fa tsy misy maha samihafa azy. Nandeha daholo ny fanaratsiana sy ny fifanenjehana ary ny herisetra mihitsy aza. Taorian’ny vokam-pifidianana dia nivoaka ny fanakianana sy ny fahadisoam-panantenana ho an’ireo mpanohana an’i Hilary Clinton, kandidan’ny demokraty izay resy. Rehefa tena jerena ny zava-misy dia tsy mahazaka demokrasia izany ny amerikanina. Tsy ry zareo irery fa ireo eropeanina mpanome lesona ny malagasy ihany koa. Tsiahivina mantsy tamin’ilay fifidianana nanapahan’ny vahoakan’i “Royaume Uni” hiala ao amin’ny vondrona eoropeanina dia tsy nanafina mihitsy ireto farany nampiseho ny fanakianana rehetra. Tsy nahay nampiseho ny manam-pahefana eoropeanina fa hanaja ny safidin’ny vahoaka anglisy. Dia toy izany ihany koa no mitranga amin’izao fahalanian’i Donald Trump izao. Tsy mahazaka resy ary be fanakihanana ny amerikanina demokraty sy ireo mpitondra fanjakana eoropeanina. Tsy mety hanaiky tanteraka ny tena safidin’ny vahoaka maro an’isa ao amerika izy ireo.
Raha ny lojika tokoa mantsy no jerena dia tsy tokony ho ny repoblikanina mihitsy no nandresy tamin’iny fifidianana iny. Efa fantatra ny faharatsiam-panahin’i Donald Trump ary tsy nafeniny fa tsy hivaky loha amin’ny firenen-kafa sy ny hafa fiaviana mihitsy izy raha lany eo. Ny amerikanina anefa iaraha-mahita fa mpiavy ny ankamaroany. Izany hoe raha ny zava-misy sy ny lojika dia tokony ho Hilary Clinton mihitsy no lany. Rafitra efa mipetraka anefa ny fifandimbiasam-pahefana eo amin’ny demokraty sy ny repoblikanina any amerika ary dia voahaja izay lamina izay. Tsy misy demokraty mitondra in-telo misesy izany fa fotoam-pitondrana 2 ihany dia miova ny fitantanana ary toy izany hatrany ny zava-misy any Etazonia.
Tsara henoina sy resahina io fifandimbiasam-pahefana io nefa kosa sarotra hinoana ny maha lojika azy. Ny tena mpandalina politika iraisam-pirenena dia mahita fa karazan’ny fihetsiketsehana fotsiny iny fifidianana tany Etazonia iny fa efa fantara mialoha fa tsy maintsy homena an’i Donald Trump avy amin’ny repoblikanina ny fahefana. An-dry zareo moa izany koa, tsy misy hidiran’ny malagasy saingy ny lesona azo tsoahina dia ny hoe tsy misy fifidianana demokratika azo antoka izany maneran-tany. Ny malagasy fotsiny no terena hanaiky ny voka-pifidianana eo fa ny fizotra sy ny fikarakarana izany dia betsaka no azo kihanina. Ny tena mahagaga teto amintsika mantsy dia nandresy mazava tamin’ny fifidianana avokoa ireo filoham-pirenena efa naongan’ny vahoaka. Izany filoha Tsiranana Philibert izany anie ka nandresy hatramin’ny 90% e ! Ny Filoha Ratsiraka Didier ihany koa tamin’ny niongana voalohany tena nitarika be tamin’ny fifidianana nahazoany fahefana. Marc Ravalomanana moa dia fantatra fa nandresy tamin’ny “1er tour dia vita” nefa 2 taona taty aoriana dia niongana.
Matoa voaongana toy izany ireny mpitondra Fanjakana ireny dia maro ny vahoaka efa tsy nankasitraka azy ireo intsony. Porofo ihany koa izany fa tsy azo antoka tanteraka ny fahazoana fahefana amin’ny alalan’ny fifidianana demokratika. Io izao ny fitondrana Hvm fa anisan’ny tena halam-bahoaka nefa vao 2 taona lasa izay no lany tamin’ny fifidianana. Dia ry zareo indray no hikarakara ny fifidianana manaraka izay efa tsy ankatoavin’ny maro sahady dieny mbola tsy manomboka. Mazava ho azy fa amin’ny anaran’ny demokrasia dia tsy maintsy ny kandidam-panjakana ihany no handresy eo amin’ny taona 2018. Roa taona aorian’izay anefa dia mety hiongana. Aleo ny ho avy no haneho izany.
Ravalo tsy Manana