Ambohidrano – Notsidihan’ny masoivoho japoney
Ny farany herinandro lasa teo dia nanatanteraka fitsidihana tao amin’ny fokontany Ambohidrano, Firaisana Sabotsy Namehana ny fikambanana iray antsoina he Amcwa. Fikambanana lehibe izay mifantoka amin’ny fizarana ny maha izy azy ny firenena mandroso miaraka amin’ny fampandrosoana amin’ny eny ambanivohitra ary koa ny fanajana ny tontolo iainana. Misy ny tetikasa hotanterahina amin’ny fanampariahana hazo iray izay tsy misy afa-tsy any Japana ao amin’ity fokontany ity. Nisy ihany koa ny fitsidihana ny sekoly nandritra izany satria miasa amin’ny sehatra fanabeazana, fahasalamana ary fampandrosoana ny eny ambanivohitra ihany koa ity fikambanana ity. Efa tamin’ny taona 2009 no efa niasa teto ny fikambanana ary efa betsaka ny hetsika natao toy ny tamin’ny fankalazana ny fetim-pirenena, ny krismasy, ary nandritra ny fidiran’ny mpianatra. Nisy ihany koa fizarana lamba firakotra nandritra ny ririnina sy sakafo ho an’ny antitra. Tao koa ny fanampariahana fahalalana momba ny fahadiovana, voly madinika fivelomana, fiompiana ary fiompiana tilapia sy karpa.
Ny filoha lefitry ny fikambanana, Ishihara Furuya Akira, izay notronin’i Hurobimi Matsuzawa sy ireo manam-pahefana tao amin’ny fokontany Ambohidrano dia nandray ny masoivoho japoney eto Madagasikara Ichiro Ogasawara hijery ny asa vita tany an-toerana. Namboatra lalana 5km mampitohy an’i Antsapandrano hatrany Mahitsy ihany koa ny fikambanana. Tsy hadino koa ny fanofanana natao tamin’ny tanàna hafa tany Katsepy Mahajanga mikasika ny fiompiana trondro. Tetikasa fambolena hazon-jaridaina sy hazo fihinamboa tany Ambalakida Mahajanga II. Efa an’arivony ny hazo voavoly nandritra ny taona 2015 noho ny fiaraha-miasa amin’ny fikambanan’ny mponina antsoina hoe : “Association famonjena”, izay manana velaran-tany 600ha mitety vohitra, ala sy tanimbary ary tany lonaka. Ny tany Ambatolamy koa dia momba ny programan’asa mikasika ny fitsinjovana ny zaza kamboty ary dia nametrahana tetik’asa fiompiana tilapia voalohany ihany koa tany Andramasina.
Safidy Andrianina