Manjakandriana – Mpanao laodisia matin’ny fiara
Kamiao Renault master fitondrana entana ary nitondra olona 07, izay mpianakavy saika handeha hanangom-bokatra laodisia any Toamasina no tapaka hisatra tamin’ny fidinan’i Mandraka ka nivarina tany amin’ny hady (25m) misy rano eo amin’ny barazin’ny Jirama ka tafaletika any amin’ny 7 metatra anaty rano. Niala ny varavaran’ilay fiara ka tafavoaka ny 6 tamin’izy ireo. Tsy afaka kosa ny iray. Vokany dia vehivavy iray 58 taona, izay renim-pianakaviana no maty tao anaty fiara ka tsy azo ny razana raha tsy efa tamin’ny 6 ora maraina rehefa nandray andraikitra nampihena ny rano teo amin’ny barazy ny Jirama.
Tonga haingana teny an-toerana ny zandary avy ao amin’ny PA Ambatolaona nanao izay tokony hatao hanavotana ilay vehivavy ka niantso mpamonjy voina saingy tsy tonga mihitsy izy ireo. Nalefa teny amin’ny hopitalin’i Manjakandriana ireo 5 naratra ka rehefa nahazo fitsaboana maika tao dia nakarina haingana eny amin’ny Hjra. Efa nalain’ny havany kosa ny razana ary nentina eny Ambohimangakely Antananarivo taorian’ny fiaraha-miasan’ny jirama sy ny zandary ary ny mponina any an-toerana naka ny vata-mangatsiaka tao anaty fiara.
Dom