Ihosy – Lehilahy iray voasoloky 1 tapitrisa ariary tamin’ny finday
Ankehitriny dia miha maro ireo vondron’olona mampiasa ny aterneto, indrindra fa ireny fitaovan-tserasera malaza toy ny facebook ireny hisolokiana olona. Anisan’ny mahatonga azy ireny mampiasa ny aterneto mantsy dia izy azo ampiasana na aiza na aiza toerana misy azy ary voaaro kokoa ny mombamomba azy. Toy izany koa ny fisolokiana amin’ny alalan’ny finday izay efa maro mpanao koa amin’izao fotoana izao. Ny alarobia lasa teo dia lehilahy mpivarotra enta-madinika izay mpamongady iray, monina ao amin’ny tanàna iray ao Ihosy no voasolokin’olona iray tamin’ny alalan’ny finday. Raha ny vaovao azo dia nisy nandefa hafatra fohy ny laharana findainy manambara fa nahazo loka tamin’ny orinasa iray izay tsy hotononina eto ny laharan’ilay rangahy izay voasafidy tamin’ny ankitsapaka natao taty Antananarivo. Loka izay entana sy kojakoja fampiasa ao an-tokantrano toy ny vata fampangatsiahana sy ny fitaovam-pihinanana maro samihafa. Tsy nahafantatra anefa ity lehilahy ity fa olona misandoka ilay nandefa hafatra ka niantso avy hatrany ilay laharana. Raha ny nambaran’ilay olona niharan’ny fisandohana dia nanambara ilay vehivavy nandray azy fa mila alefa taksiborosy ny entana ka 1 tapitrisa ariary no mandefa azy. Mbola nohamafisiny ihany fa niampy moto iray koa ilay loka azony. Taitra noho izany rangahy ka nandefa avy hatrany ny vola tamin’ny alalan’ny Mvola. Folo minitra taorian’ny nandefasany io vola io anefa dia tsy nandeha intsony ilay laharana. Teo vao nahafantatra fa voasoloky izy. Amin’izao fotoana izao dia efa nametraka fitoriana tany amin’ny manam-pahefana ilay raim-pianakaviana ka efa eo ampikarohana ny mety ho topon’ilay « puce » ireto farany.
Ra Tax.