Tanambao V – Toamasina – Tratran’ny polisy ilay tovolahy 16 taona mpively « bois rond »
Nalaza ary tena mbola mampitaintaina ny maro hatramin’izao fotoana izao ny resaka vely « bois rond ». Ankehitriny mantsy dia tsy ny aty an-drenovohitra irery intsony no misy an’io tranga io fa efa maneninka an’i Madagasikara iray manontolo mihitsy. Ny tena nampatahotra ny maro dia ilay tranga niseho tsy vao ela akory : ilay ramatoa iray tsy voaendaka, tsy natao na inona na inona fa dia novelesina tamin’ny “bois rond” misy fantsika tsotra izao fotsiny. Mahakasika izany indrindra dia tovolahy mpanendaka vao herotrerony tokoa satria vao 16 taona no tra-tehaky ny polisy ny talata alina lasa teo.
Polisy tratra alina andeha hamonjy fodiana mantsy no novelesin’andian-jiolahy izay misy ity zazalahy ity tamin’ny bois rond misy fantsika rezatra. Tsy nisalasala ireto farany nively teo amin’ny faritry ny lohan’ilay polisy ka vokatr’izay dia naratra mafy tokoa izy. Tsy torana anefa izy fa mbola nanan’aina nifanenjehana tamin’ireo nahavanon-doza ireo ka tratra teo noho eo ihany ny roa tamin’ireo mpanendaka ireo. Natolotra ny fampanoavana omaly ny raharaha ary tsy nisy hevitra fa dia naiditra ao amin’ny fonjan’Ambalatavoahangy izy roalahy. Raha ny vaovao azo dia miha mahery vaika ny fanafihana ataon’ireo jiolahy izay mameno ny tanànan’i Toamasina amin’izao. Lasa faritra mena mihitsy aza ny tanàna iray manontolo rehefa tonga ny alina satria miha maro ireo mpanendaka izay tena mamono mahafaty mihitsy. Tsy azo andehandehanana mivoaka alina intsony noho izany any Toamasina, eny na eny amin’ny bord aza. Manoloana izany dia efa miezaka mikaroka paikady entina hamongorana ireo jiolahy any an-toerana ny mpitandro filaminana. Ny Kaomisera Rafaliarivo Jules, komandin’ ny Fip Toamasina aza moa dia niteny mihitsy fa hoboriany ny sofin’ilan’ireo jiolahy izay tratrany mba hamantaran’ny vahoaka azy. Raha mivoaka ka mbola mamerina dia ny iray indray no hoboriany. Raha ny nambaran’ity manam-pahefana ity dia zon’ny vahoakan’i Toamasina ny miaina ankalalahana ao anatin’ny fandriam-pahalemana.
Ra Tax.