Vous êtes ici :

Dimanche 22 Septembre 2024

ombre

Toamasina – Mitaraina noho ny loto ny mponina

Manakaiky ny fotoanan’ny frankofonia, izay hotanterahina eto amintsika ka tsy ahitana loto firy intsony raha ny eto an-drenivohitra manokana no asian-teny. Ny any ambany tanàna tsy dia misy mahita no tsy diovin’ny fanjakana. Tsy mahagaga raha ny toetran’ity farany izay tia misolelaka amin’ny any ivelany ary mandevin-tay an-tsalaka hatrany. Mahakasika izay loto izay indrindra dia mitaraina amin’izao fotoana izao ny mponina any Tamatave, indrindra fa ireo izay monina manodidina ny tsena. Raha ny vaovao azo dia misavovona izay tsy izy ny fako ao amin’ny bazary kely ao Ambolomadinika. Toerana anisan’ny be mpandeha indrindra na amin’ny alina na amin’ny antoandro nefa dia miparitaka ny maloto sy ny fako ao an-tsena. Ny ao bazary be kosa indray dia mifangaro ireo fofona samihafa toy ny fofon-trondro, ny fofom-pipy sy ny fako rehetra avangongon’ireo mpivarotra. Tsy vitan’izany fa kolontsaina tsy mety afaka efa hatramin’izay ihany koa ny fanaovana maloto ankalamanjana. Ny moron-dranomasina any « Kanada » manokana amin’izao dia efa tsy azo aleha intsony satria dia efa lasa toerana fanaovana maloto. Tsy ny rehetra anefa no manao izany nefa tena lasa olana lehibe eo amin’ny fiarahamonina izany amin’izao. Ny tsy manao foana mantsy matetika no miara-mizaka ny voka-dratsin’ny ataon’ny sasany. Mitaky ny fandraisana andraikitry ny kaominina ao an-toerana noho izany ny vahoaka.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre