Vous êtes ici :

Dimanche 22 Septembre 2024

ombre

Mila 4×4 i Madagasikara

Nivoaka indray ny resaka fitakiana fiara tsy mataho-dalana (4×4) eny amin’ny Antenimieram-pirenena. Tsy mety manaiky mihitsy ireo solombavam-bahoaka fa miziriziry amin’ny heviny amin’ny tsy maintsy hanomezan’ny fanjakana azy ireo fiara entina manao tatitra amin’ny vahoaka. Misy lafiny marina ihany aloha ny fandresen-dahatra ataon’ireo depiote izay manambara fa tsy afaka midina ifotony eny amin’ny vahoaka izy ireo noho ny haratsian’ny lalana. Tsy noforonina io fa tena iainan’ny rehetra amin’ny fiainana andavanandro. Marobe ny toerana tsy tongan’ny fiara tsotra raha eto Madagasikara. Na eto Antananarivo renivohitra aza dia misy lalana tsy afaka alehan’ny fiara kely noho ny haratsiany. Ireo kaominina manodidina moa dia tsy resahina intsony fa tsy maintsy fiara avobe vao afaka. Raha izany no zava-misy eto dia tsy mila mieritreritra lavitra akory fa azo sary an-tsaina avy hatrany ny olana misy amin’ireo distrika sy kaominina any amin’ny faritra any. Tsy maintsy fiara 4×4 vao afaka. Izany hoe mila miala vola am-paosy manofa fiara na mampiasa ny fiarany manokana ireo depiote vao afaka mitsidika ny vahoaka amin’ny fotoana tsy hivoriana. Iaraha-mahalala mantsy fa ao anatin’ny vanim-potoanan’ny orana, izany hoe ny volana janoary ka hatramin’ny martsa sy aprily eo no tena fanaovana tatitra. Amin’io fotoana io indrindra no tena maharatsy ny lalana eto Madagasikara ka ilana fiara matanjaka.

Mipetraka kosa ny fanontaniana hoe manam-bola hividianana fiara ho an’ny depiote ve ny Fanjakana? Novalian’ny solombavam-bahoaka io hoe “manana”. Tsotra ny antony : ireo mpiasa ambony toy ny lehiben’ny sampan-draharaha sy tale isan-tsokajiny eny anivon’ny minisitera rehetra eny dia mampiasa fiara 4×4 novidian’ny Fanjakana avokoa ny ankamaroany. Izany hoe manana fiara homena ny mpiasan’ny minisitera ny Fanjakana fa tsy manana homena ny depiote. Soson-kevitra iray avy amin’ny vahoaka kosa ny hoe maninona raha mividy fiara ny Fanjakana dia homena hampiasain’ny depiote saingy tsy soratana amin’ny anaran’izy ireo fa averina rehefa mifarana ny fotoam-piasana. Toa mety ihany io satria mba afaka ampiasain’ny Fanjakana amin’ny asa hafa ireo fiara rehefa tapitra ny fotoam-piasan’ny solombavam-bahoaka. Tsy tantin’ny vahoaka mantsy ny mandre fa nandany amina miliara marobe ny Fanjakana hanomezana tombontsoa ny manam-pahefana na olom-boafidy io na olom-boatendry. Rariny sy hitsiny raha homena fiara hiasana ny solombavam-bahoaka nefa kosa tsy misy maharatsy azy raha averina ireny fitaovana novidiana tamin’ny volam-bahoaka ireny rehefa vita ny asa. Soson-kevitra hafa avy amin’ny vahoaka ihany koa ny hoe maninona raha miady amin’ny hanamboarana ny lalana mandeha any amin’ny distrika tena sarotra aleha ny depiote amin’izay fotoana izay tsy mila fiara 4×4 fa fiara tsotra dia afaka mankany rehefa vita ny lalana ? Mety io hevitra io saingy sarotra tanterahina. Mora kokoa mantsy ny mividy fiara 4×4 iray noho ny hanamboatra ny lalana rehetra amin’ny distrika iray manontolo.

Soson-kevitra avokoa izany rehetra izany fa ny fitondram-panjakana ihany no tompon’ny teny farany amin’ity raharaha 4×4 ho an’ny depiote ity. Raha tena fitiavan-tanindrazana sy fitsinjovana ny vahoaka anefa no jerena dia tsy tokony hangataka homena 4×4 ireo solombavam-bahoaka satria mahavidy izany avokoa izy rehetra. Soson-kevitra natolotr’izy ireo mantsy ny hoe tonga dia hamoaka am-paosy hividy ireo fiara izy ireo dia oneran’ny Fanjakana tsikelikely izany avy eo. Koa raha mahavidy ihany ve tsy aleo mampiasa ny an’ny tena e ! Ny fanampiana amin’ny fikojakojana ny piesy sy ny vidin-tsolika fotsiny sisa avy eo no mba aloan’ny Fanjakana. Tsy hanao izany anefa ny depiote malagasy raha ny fihetsik’izy ireo no jerena.

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre