Vous êtes ici :

Dimanche 22 Septembre 2024

ombre

Haintany any Atsimo – Nahazo 35 tapitrisa avy amin’ny banky iraisam-pirenena i Madagasikara

Ireo mpanolon-tsaim-pitantanana ao amin’ny banky iraisam-pirenena dia nanaiky fa hanolotra vola 35 tapitra dolara ho an’i Madagasikara ho famonjena ireo tokantrano mijaly noho ny haintany any amin’ny faritra Atsimon’ny nosy. Izany dia ho fanohanana ny governemanta malagasy amin’ny ady izay atrehany amin’ny haintany. Olona 320 000 eo ho eo no hahazo tombotsoa amin’izany ao amin’ny kaominina dimy izay tena ho fanarenana azy ireo taorian’ny fandalovan’ny haintany “El Niño”. Io fanampiana io dia tafiditra ao anatin’ny drafitra vonjimaika izay nomanin’ny governemanta malagasy izay notohanan’ny firenena mikambana. Efa taona maro tokoa no nizaka fijaliana noho ny haintany ny mponina any amin’ny faritra Atsimo ka niteraka fihenan’ny vokatra. Izany dia nanomboka tamin’ny fandalovan’ny andiam-balala tamin’ny taona 2013. Noho ny fisian’ny haintany El Niño ihany koa dia nihena hatramin’ny 75 isanjato ny orana raha oharina tamin’ny 20 taona lasa izay. Vokany, ny 95 isanjaton’ny vokatra dia very avokoa ary olona maherin’ny 1 tapitrisa no niaina tao anatin’ny tsy fanjarian-tsakafo, ankizy latsaka ny 5 taona  35 000 no azon’ny tsy  fahampian-tsakafo   izay tena natahorana tokoa.

Nambaran’ i Coralie Gevers, tompon’andraikitry ny hetsika eto Madagasikara sy Kaomaoro fa “miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo isan’andro ny fianakaviana any amin’ny faritra Atsimo. Tsy misy kosa anefa ny fitaovana mba hoentin’izy ireo miainga mba hanarenana indray ny taom-pambolena. Ara-traikefa, ny tsy fandraisana andraikitra amin’ny trangan-javatra toy izany dia mety hovidiana lafo tokoa”, notsipihiny hatrany fa “ny famatsiana ara-bola ireo renim-pianakaviana sy ny vehivavy bevoka ary mampinono dia fandraisana anjara betsaka tokoa ho an’ny banky iraisam-pirenena amin’ny hetsika izay efa tarihin’ny governemanta malagasy”. Marihina fa kaominina dimy ao amin’ny faritra Androy sy Anôsy no tena voakasik’ity famatsiana ity dia i Ambovombe, Beloha, Tsihombe, Amboasary Atsimo ary Betioky. Telo taona ny faharetan’ny fifanaraham-piaraha-miasa izay hotantanan’ny ministeran’ny mponina sy ny fiarovana ara-tsosialy ary ny fampandrosoana ny vehivavy amin’ny alalan’ny Fid na ny (Fond d’intervention  pour le développement) ary eo koa ny Onn  ( Office national de Nutrition).

 

Safidy Andrianina

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre