Vous êtes ici :

Dimanche 22 Septembre 2024

ombre

Mpanjifa ny BOA – Maro ny mitaraina

Tsy vitsy no mitaraina eny amin’ny tambajotra sosialy noho ny afitsoky ny mpiasan’ny banky Boa eto Antananarivo.  Eo aloha ireo mitaraina amin’ny faharatsian’ny kalitao fandraisana olona ary eo koa ireo mitaraina fa angalarin’ny mpiasa ny volan’izy ireo rehefa manao petra-bola.  Vehivavy iray no nanao fitarainana fa isaka ny hanao izany izy eny Ambanidia dia lazain’ny mpiasa fa tsy ampy foana ny vola ateriny ary tsy vao in-dray na in-droa na dia efa hamarininy im-betsaka izao aza ny vola apetrany. “Toy ny manao jeu de main mihitsy ilay mpanisa manao izany”, araka ny filazany ao amin’ny facebook ary tsy  vitsy ny nanamafy izany eny fa ny eny Talatamaty koa aza dia manao toy io ihany koa. Eo koa ireo any amin’ny birao izay manao teny anavona amin’ny mpanjifa mba tonga mitaraina ao aminy na rehefa misy taratasy angatahana toy izay hita eny Itaosy. Tsy lazaina intsony ny fitarainan’ny hafa izay mitatitra fa maty foana ny milina mpizara vola rehefa tonga ny faran’ny volana. Ny Mpanjifa moa tsy afa-miala ka dia malina hatrany no fanafodiny.

S.A

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre