Vous êtes ici :

Dimanche 22 Septembre 2024

ombre

Raharaha Tia Shop – Voasambotra ilay sinoa nampandraraka asidra ny mpiasany

Raha tsiahivina dia nakaton’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (Cua) ny volana septambra lasa teo ny toeram-pivarotana lehibe Tia Shop sy ny Tia Com etsy Analakely. Tsy fanarahana fenitra teo amin’ny fanorenana ny trano sy ny fahalotoana no nahatonga ny fanjakana nanakatona ity trano lehibe ity. Manam-pahefana avy ao amin’ny kaominina niaraka tamin’ny polisy nasionaly sy monisipaly mihitsy no nirotsaka an-tsehatra nanakatona ity toeram-pivarotana ity niaraka tamin’ny mpahay lalàna iray. Ankehitriny dia misy vaovao vao mafana indray mahakasina ity fivarotana ity saingy mahakasika manokana ilay mpampiasa teratany sinoa iray sy ny mpiasany. Nalaza ary tsy misy izay tsy nahalala intsony moa ny disadisa niseho teo amin’ny sinoa tompon’ny tranom-barotra sy ireo mpivarotra tao amin’ity trano ity. Voalaza fa niaina filam-baniny sy setrasetra nataon’io sinoa io ireto farany. Nihoatra ny tokony ho izy ary nahatsapa ny tsy rariny noho izany ireto mpiasa majinika ka nampiakatra ny raharaha tany amin’ny fitsarana mahefa. Nandresy hatrany anefa ireo Malagasy ireo manoloana ny raharaha. Taty aoriana kelin’izay anefa dia nanapa-kevitra ny hamaly faty ilay teratany sinoa ka nanakarama malagasy nandraraka asidra ny lohan’ny mpiasa vavy iray tao aminy. Ramatoa Ranaivoarivony Harlette no anaran’io renim-pianakaviana io. Vokatr’izany dia ravarava tanteraka ny faritry ny lohan’ilay ramatoa sy ny tarehiny : niongotra avokoa ny volon-dohany rehetra, eny fa hatramin’ny hodi-dohany ary toa ireny may ny rano mangotraka ireny mihitsy . Tsy vitan’izay fa niongotra avokoa ny hodi-dohany sy ny hodi-tarehiny iray manontolo. Soa ihany anefa fa tsy nahakasika ny masony ny asidra raha tsy izany dia tsy nahiratra intsony koa izy. Amin’izao fotoana izao dia ao anaty fitsaboana tanteraka ilay ramatoa ary tena mbola ratsy endrika tsy misy ohatra izany izy. Voasambotra ny 9 novambra lasa teo ilay sinoa nahavanon-doza ary hadihadiana ao amin’ny Bc amin’izao fotoana izao. Marihina fa tokony handoa vola 2 miliara amin’ireo mpivarotra io teratany sinoa io.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre