Vous êtes ici :

Dimanche 22 Septembre 2024

ombre

Vohipeno – Mirongatra ny doro tanety, velaran-tany 17 ha no may

Antony goavana mahatonga ny tsy fiavian’ny orana ny fandringanana sy fanapotehana ny ala ary ny fanaovana doro tanety. Ity farany dia fandorana ny zava-maniry an-tanety hafa izay mandrakotra ny tany fambolena na ny kijana mba hahazoana vilona hiraofan’ny omby, eo koa ny fanaovana arina fandrehitra na tena fahamaizana vokatry ny tsy fitandremana  mihitsy.  Toe-tsaina tsy mitsinjo ny  lavitra  ezaka fa vahaolana fohy ezaka fotsiny ihany anefa izany.  Miteraka fahasimban’ny tontolo iainana ny fanaovana doro tanety satria efa mahenika velaran-tany maromaro manerana ny nosy izy ity ka misy fiantraikany betsaka amin’ny fahasalaman’ny mponina sy ny fiovan’ny toetrandro izany.  Tsy amin’ny faritra iray no misy manao ity fomba mamohehitra ity fa efa manerana ny nosy mihitsy. Tany amin’ny faritra Vatovavy-Fitovinany, distrika Vohipeno, fokontany sy kaominina Mangasioka, ny 8 novambra 2016 tamin’ny 2 ora sy 39 minitra folakandro dia mahatratra 17ha ny tanety heniky ny afo, izay fahotana mahafaty nataon’ny olona tsy fantatra. Tonga hatrany amin’ny kaominina Beronono izany fahamaizana izany. Ny tena nampalahelo dia nahazo ny saha feno jirofo izany ka 24 fototra no may.  Teo anatrehan’izany dia nanao fanentanana ny manam-pahefana namono ny afo. Tsy nisy nialangalana ireo mponina tao an-toerana taorian’izany fa niara-nisalahy nifanome tanana avokoa ny rehetra ka voafehy soa aman-tsara ihany ny afo araka ny vaovao avy any an-toerana hatrany. Tsy mionona fotsiny amin’izay fahafehezana ny afo izay anefa ny tompon’andraikitra satria misopatra aina ny olona manao ny doro tanety ka dia nosokafana ny fanadihadiana ka ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena ao Vohipeno no misahana  ny fikarohana sy ny fanadihadiana izay nahavanona izao hetraketraka goavana izao.

Chrysnovah

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre