Vous êtes ici :

Samedi 30 Novembre 2024

ombre

Polisy sandoka!

Mahery setra loatra ny sasany amin’ny tompon’andraikitra amin’ny raharaham-bahoaka. Mampiaky volana ny maro ary hitam-poko, hitam-pirenena ny mahazo amin’ny fihetsik’ireo polisy kaominaly. Tsy tena mpitandro filaminana izy ireo fa kosa sivily nampiandraiketina hanao ny fanadiovana ny tsena sy ny tanànan’Antananarivo amin’ny ankapobeny fotsiny. Mihevi-tena ho toy ireny mpanjaka kely ireny mihitsy ireo tovolahy be sandry mpiasan’ny kaominina ireo ary manampatra ny heriny amin’izay rehetra tsy mitovy hevitra aminy. Ekena fa tsy maintsy hampiharina ny lalàna amin’ny fanakanana ireo mpivarotra tsy ara-dalàna tsy hanelingelina ny araben’Antananarivo nefa kosa tsy maintsy hajaina ny fitsinjovana ny mahaolona. Tsy manan-jo hikasi-tanana sy hanao herisetra amin’ny vahoaka mihitsy ireo polisin’ny kaominina ireo. Ny mahagaga anefa dia anamparan’izy ireo ny heriny sy anaovany tamba-be avokoa izay tratrany. Efa maro no nitondra faisana ka nahitana ankizy, antitra, vehivavy bevohoko, ary miaramila. Ilay vaviantitra iray antsoina hoe Ramamany aza moa dia namoy ny ainy mihitsy noho ny tahotra ireo polisin’ny kaominina ireo. Manoloana izany rehetra izany anefa dia teny an’avona sy valy boraingina no ataon’ny tompon’andraikitra ambony ao amin’ny kaominina. Tsy mba nisy fanajana ilay vaviantitra maty namoy ny ainy mihitsy fa faniratsirana aza no natao. “Fientanam-po no nahafaty azy ary tsy andraikitry ny kaominina ny mandamina ny fientanam-po” hoy ny dika malalaky ny teny vary amin’anana nataon’ilay lehibe iray ao amin’ny kaominina. Efa malaza amin’ny teny tsy voahevitra fanaony io rangahy io satria tsy voalohany no nanaovany izany. Tamin’ny tsenan’Isotry nirehira ihany koa mantsy dia efa nanao vavabe sy fanambaniana ireo mpivarotra io olona io. Notondroiny ho tsy mandinika lalina, izany hoe raha atao mivantana dia hoe “vendrana” ireo mpivarotra ao Isotry izay nandray fanampiana tamin’ny mamala-tanana ka nanangana avy hatrany ny trano fivarotan’izy ireo fa tsy niandry izay avy any amin’ny kaominina. Ny tena nahagaga anefa dia manjavona sy tsy hita popoka io rangahy mpanao vava tsy ambina ao amin’ny kaominina io rehefa sendra ny mahay azy. Tsy hita izany izy rehefa tena mitroatra ny mpivarotra ka manakorontana eo Analakely. Tsy hita ihany koa izy tamin’ilay takariva nirotsahan’ny miaramila marobe nanodidina ny lapan’ny tanàna. Amin’ny fotoana toy ireny anefa no tokony hijoroan’ny tompon’andraikitra hanehoana ny tena maha izy azy.

Tsy eken’ny vahoakan’Antananarivo ireo fihetsika miampy teny mahery fanaon’ny tompon’andraikitra sasany ao amin’ny kaominina ireo. Olon’ny fo ny malagasy ka mora tohina nefa ihany koa mora milefitra sy fatra-pankatoa rehefa mahay miresaka aminy. Tsy voatery hisy gidragidra sy fifandonana lava izao eto amin’ity renivohitra ity vao ho vita ny fandaminana ny tanàna sy ny tsena ary ny toeram-piantsonan’ny fiarakodia. Mila mahay miresaka sy mifanakalo hevitra amin’ny vahoaka fotsiny ny mpitantana ao amin’ny kaominina dia milamina ny renivohitra. Tsy misy firy anefa io fifampiresahana sy fakàna ny hevitry ny vahoaka io fa fanapahan-kevitra sy didy milatsaka ary teny baiko avy any ambony any no alatsaka mba tsy maintsy harahin’ny rehetra. Izay tsy resy lahatra amin’ny baikon’ny kaominina dia hery famoretana no miandry azy ireo. Ny anaran’ny tany tan-dalàna hatrany no ampiasain’ny tompon’andraikitra rehefa te hanampatra ny fahefany izy ireo. Raha tena matanjaka sy te hanao ny asany anefa ireo polisy kaominaly dia ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany aloha no tokony himasoan’izy ireo. Maninona tokoa moa eo Analakely sy ny manodidina no be mpanendaka nefa ny polisy kaominaly misy an-jatony. Milingilingy eny ambony fiara sy manampatra ny heriny amin’ny mpivarotra fotsiny no mba ataon’izy ireo fa tsy mirotsaka an-tsehatra  amin’ny fanenjehana mpanendaka.

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre