Antsirabe – Nahatratra 40 santimetatra ny havandra
Raha tsy mety latsaka ny orana eto an-drenivohitra, zavatra hafa kosa no nitranga tany Antsirabe. Efa fambara loza sa vokatry ny fiovan’ny toetrandro ? Io no fanontaniana napetraky ny rehetra omaly maraina fa dia toy ny any amin’ny ilabolantany avaratra mihitsy ny faritra Antsirabe sy ny manodidina iny omaly folakandro ny alarobia 16 novambra. Efa nahatratra hatramin’ny 40 santimetatra ny hatevin’ny havandra omaly nanomboka teo Ambalavato, Ambohimena ka hatrany amin’iny tampon-tanànan’ny renivohitry ny faritra Vakinkaratra iny. Tafiditra hatrany anaty trano sy toeram-piasana mihitsy izany. Vokany, maro ny fiara sy ny trano samba. Tsy lazaina koa ireo voly teny an-tsaha, izay tsy nisy noraisina fa potika avokoa. Efa sahirana ny tantsaha amin’ny fivelomana nefa mbola izao indray koa no nahazo. Marihina fa efa nanomboka tamin’ny alatsinainy no nilatsaka isanandro ny havandra fa omaly no tena tafahoatra ny filatsahany.
S.A.