Vous êtes ici :

Vendredi 29 Novembre 2024

ombre

Ambanja – Nahazo fiofanana avy amin’ny Cnaps ireo mpamboly Cacao

Mitana andraikitra lehibe amin’ny ady amin’ny fahantrana ny Cnaps. Taratra izany eo amin’’ny lafiny fanampiana ara-bola omeny raha toa  ka marary, na tra-doza am-perin’asa, na mitoe-jaza, na teraka ary rehefa antitra ihany koa. Ireo rehetra ireo no antsoina hoe zo ara-tsosialy eo anivon’ity tahirim-pirenena ity. Nahatratra 80 isa ireo mpandray anjara izay nahitana ny avy amin’ny mpitatitra, ny mpanangom-bokatra, ny mpitondra fivavahana, ny mpandraharaha ary ny mpamboly. Nampahafantarina ireo mpiofana ny mikasika ny zon’ny mpiasa toy ny fifanarahana arakasa Cdd (fifanarahana arakasa voafetra), ny Cdi (fifanarahana arakasa tsy voafetra), ny andrana, ny fitsipika anatiny, ny fialan-tsasatra, ny fierana. Isan’ny nampahafantarina ihany koa ny momba ny lalànan’ny fiahiana ara-tsosialy dia ny adidin’ny mpampiasa sy ny zon’ny mpiasa. Randrianarijaona Charles Emilson lehiben’ny sampan-draharaha miandraikitra ny fahasalaman’ny mpiasa sy ny sosialy (Sass) no nitarika ny fiofanana tany an-toerana.

 

Marihina fa ireo mpamboly ka efa mpikambana ao amin’ny Cnaps dia ireo mpiasa mpamboly eny anivon’ny orinasa mpamokatra ihany. Izany hoe misy fifanarahana arakasa mazava tsara eo amin’ny mpampiasa sy ny mpiasa, toy ireo mpiasa eny anivon’ny orinasa mpamokatra na mpanondrana cacao aty Ambanja ohatra. Fa ny mpamboly izay tantsaha mahaleo tena kosa izay tsy manana sata fizika na moraly fa miasa tena ary ao anatin’ny sehatra tsy ara-dalàna dia tsy mbola tafiditra ao anatin’ny fianakaviam-ben’ny Cnaps. Saingy efa misy ny dingana fametrahana rafitra hitantana manokana ny fisotron-drononon’ny tantsaha mpamokatra ka tafiditra amin’izany ny mpamboly, ny mpiompy, ny mpanao asa tanana ary ny mpanjono. Vina izay apetraky ny jeneralin’ny Cnaps Arizaka Rabekoto Raoul sy ny ekipany any amin’iny faritra iny. Raha ny isan’ny mpikambana any Ambanja, izay tantananan’i Tsaravaly Arsène dia miisa 274 ny mpampiasa voasoratra raha 2 840 ny mpiasa mpikambana, 653 kosa ireo mpandray fisotron-dronono ary 25 ny mpandray solon-takaitra. Kely ireo raha oharina amin’ny habetsaky ny mponina aty an-toerana ka izany no nahatonga ny ezaka fanofanana nataon’izy ireo tany an-toerana.

Nangon’i S.A.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre