Vous êtes ici :

Vendredi 29 Novembre 2024

ombre

Ffkm – Hotanterahina any Toamasina ny fihaonam-be nasionaly

Daty manan-tantara eo amin’ny fiainam-pirenena malagasy ny herinandron’ny 22 hatramin’ny 24 novambra 2016. Malaza maneran-tany ny fandraisan’i Madagasikara ny fihaonan’ny firenena miteny amin’ny am-pahany na manontolo ny teny frantsay. Efa ela izay nanirian’ny mpitondra Malagasy handray ity fihaonana faratampony ity izay fa izao izany vao hotanteraka. Mifanindra an-dalana amin’izay ihany koa ny fihaonam-be nasionalin’ny Ffkm na ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara. Tsy hoe akory tsy manaja vahiny ireo raiamandrenim-piangonana mivondrona ao amin’ny Ffkm fa daty efa voapetraka mialoha ihany koa ny 22 hatramin’ny 27 novambra ho avy izao hanatanterahana izany, izay hatao any Toamasina. Toy izao ny fandaharam-potoana mandritra io herinandro io : 22 novambra fahatongavan’ny mpikatroka rehetra, 23 novambra fiofanana ekiomenika sy fijoroana vavolombelona ataon’ireo raiamandreny rehetra izay efa nandalo tao amin’ny Ffkm ka ny ataon’izy ireo amin’izany dia ny mahakasika izay fomba niainany ny ekiomenisma. Ny 24 novambra kosa dia mahakasika ny tatitra avy any amin’ny faritany isan-tokony avy sy ny asam-baomiera. Raha efa izany rehetra izany, izay vao mitohy amin’ny fivoriam-be ny fotoana hamoahana ny fehin-kevitra rehetra. “Ianareo no sira sy fanazavàna ho an’izao tontolo izao” (Mt 5, 13-14). Io no teny manentana hoentina hiatrehana io fihaonana nasionaly io.

Tahirisoa

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre