Fanafihana amin’ny môtô – Voasambotra i Lapote sy ny namany
Manoloana ireo fanafihana ataon’andian-jiolahy mitondra môtô, dia tsy mipetra-potsiny ny polisim-pirenena fa nanao ezaka hatrany mba hahafahana mamantatra sy misambotra ireo olon-dratsy mpanao izany. Vokatry ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny samy mpitandro filaminana avy amin’ny polisim-pirenena ; dia voasambotra tany Vangaindrano i Lapote, lehiben’ireo jiolahy mpanafika ambony môtô eto Toamasina. Nandefa polisy tany an-toerana ny Kaomisaria ny boriborintany voalohany ao Toamasina, eo ambany fitarihan’ny Kaomisera Rakotovao Jean Christian naka an’i Lapote. Nitarika tamin’ny fahafantarana ireo namany ny fahatratrarana azy. Voasambotra tao Mahambo i Ndremaro. Ity farany indray avy eo no nanoro an’i Zozo izay mbola naman’izy ireo ihany. Voasambotra tao amin’ny dépôt Analakininina i Zozo, izay nahatratrarana ilay kodiaran-droa miloko mavo fampiasa amin’ny fanafihana. Raha tsiahivina dia fanafihana maro no efa vitan’ny ekipan’i Lapote tao Toamasina. Tafiditra ao anatin’izany ny fanafihana ny orinasa Abk Tanamakoa, ny fanafihana ny magazay Bob Frip eny Anjoma, fanafihana teny Ambolomadinika iray volana lasa izay ka nahavoatifitra an’i Dr Patrick avy any Mananara-Avaratra ,ary ny fanafihana ny magazay Sulone eny Bazar Be. Mbola karohina fatratra kosa i Mangebaky fantatra amin’ny anaram-bositra Rasihanaka izay voalaza fa mpamatsy basy ireto olon-dratsy ireto.
Zouzouh Toamasina