Ankazobe – Namono zaza iray ndray ny Sprinter
Nisy lozam-piarakodia niseho indray tany amin’ny 21km, tsy hiditra an’Ankozobe Rn4 iny, omaly Alarobia maraina. Fiara taxksiborosy Sprinter mitondra ny lahara 3222Tbc mampitohy an’Antananarivo sy Marovoay no nandona fiara sprinter iray hafa nijanona teo amin’ny sisin-dalana. Vokany zazalahy iray eo amin’ny 4 na 5 taona eo no maty teo noho eo ary lehilahy iray no tapaka ny tanany. Izany dia vokatry ny fandehanana mafy. Efa tsy mahagaga ny maro intsony satria dia ny sprinter foana tato ho ato no miteraka loza eraka ny lalam-pirenena manerana ny nosy fa tsy iny lalam-pirenena fahefatra iny irery ihany. Maro ny mpamily no tia manandrakandrana ny tanjak’io karazana fiara io nefa dia vitsy amin’izy ireo no tena mahafehy ny familiana. Ny tena tsara amin’izy ireny angamba dia ny fanerena tompon’ny fiara hametaka “regulateur de vitesse” na famerana hafaingana-mpandeha na koa fametrahana Gps ho an’ireo fiara.
S.A.