Vous êtes ici :

Mercredi 27 Novembre 2024

ombre

Miandry vahiny vao hiasa

Mbola resaka frankofonia sy ny manodidina azy ary ny fiantraikany amin’ny fiainam-pirenena ihany ny bala androany. Nihetsiketsika tampoka amin’ny fampiharana ny lalàna mantsy ny ao amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra sy ny prefektiora arakaraka ny mampanantona ny fiatombohan’ny fihaonana antampon’ny fivondronan’ireo tany mampiasa manontolo na ampahany ny teny frantsay. Nahagaga ny rehetra izao ny fanesorana ireo mpatory an-dalana sy ny anaty tonelina. Ny lalàna no ampiharina satria tsy maintsy atao ny fanadiovana hoy ny kaominina ary tsy misy mahadiso izany saingy toa mifanandrify loatra amin’ilay fihaonana iraisam-pirenena ilay fanapahan-kevitra noraisina. Mahamenatr’olona ve izany sa manelingelina ny mahita ireo malagasy tsy manan-kialofana ka voatery miditra ao ambany tonelina rehefa hatory amin’ny alina. Ao anefa mba sady tsy mitafo lanitra no tsy lena raha avy ny orana. Hatramin’izay nitondran’ny ben’ny tanàna vaovao dia tsy mba niraika firy tamin’ireny fadiranovana ireny ny kaominina. Efa nisy ihany ny hetsika nanesorana sy nanomezana trano ireo mpatory an-dalana saingy ny minisiteran’ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy no nanao izany. Tsy naharitra rahateo ilay tetikasa na dia hita fa tsara aza satria tsy ampy ny tan-tsoroka sy ny fanaraha-maso ka niverina teny an-dalana ireo fadiranovana.

Mbola manamafy ihany koa ny ao amin’ny kaominina sy ny prefektiora fa tsy misy fanavakavahana izany amin’ny resaka fitaterana fa ny lalàna no ampiharina. Ny fandrarana ny posy sy sarety tsy hivezivezy ao afovoan-tanàna no tena voakasik’io. Raha ny tokony ho izy tokoa aloha dia tsy tokony hisy ireny fitaovam-pitaterana ireny mihitsy amin’ny araben’ny renivohitra. Sady manelingelina sy mibahana izy ireny ka miteraka fitohanan’ny fifamoivoizana. Natao ho an’ny fiarakodia mandeha motera rahateo ny lalana ao afovoan-tanàna fa tsy an’ny posy sy ny sarety. Izany hoe sady ara-drariny no ara-dalàna raha tsy mahazo mifamoivoy ao intsony ireny fitaovana taritina sy atosika ireny. Mbola mahagaga ihany koa anefa satria toy ny fifanandrifian-javatra dia ny herinandro mialohan’ny fiatombohan’ny fivorian’ny frankofonia no nandraisana ny fanapahan-kevitra. Tsy hodiovina ve izany ny tanàna raha tsy handray vahiny?

Toa mirona amin’ny fiarovana ny fanapahan-kevitry ny kaominina sy ny prefektiora ny Fanjakana nefa ihany koa miezaka ny hanao izay tsy hampiteraka korontana sy savorovoron-tsaina ho an’ny vahoaka. Raha mahery fiteny sy tsy mifidy vava havoaka mantsy ny avy eo anivon’ny kaominina izay manizingizina ny fampiharana ny lalàna dia mahay mandamin-dresaka kosa ny Governemanta tamin’ny alalan’ny fanambaran’ny Praiminisitra. Novantanin’ity farany fa tsy misy fanilikilihana izany eto an-drenivohitra ary mahazo mivezivezy malalaka avokoa ny rehetra na dia olona maloto sy rovi-damba ary tsy manao kapa aza. Efa tena miteraka savorovoron-tsaina ho an’ny vahoaka tokoa mantsy ilay resaka fanilikilihana ny mpitarika sarety sy mpitondra skotera ary ny fadiranovana. Soa ihany fa misy olon-dehibe mahalala ny ataony ary mitady ny fomba rehetra tsy hisian’ny korontana eto. Na inona na inona firehan-kevitra politika sy tanjona tiana hahatongavana dia karazan’ny efa hafatra mankany amin’ny fitoniana sy ny fifanajana ny fanambaran’ny Praiministra manoloana ny tsaho miely rehetra amin’izao fandraisana ny frankofonia izao. Ny vy tsy mikitrana irery ary tsy mandainga ny mpanao gazety rehefa manao tatitra ny zava-misy fa tena niresaka tamin’ny tompon’andraikitra matoa namoaka ny vaovao mahakasika ny fanadiovana ny tanàna manoloana ny sarety sy kodiaran-droa scooter ary ireo mpatory an-dalana izay tsy mahazo misodisody ety an-drenivohitra mandritra ny fivoriamben’ny frankofonia. Miandry vahiny handalo dia maka fanapahan-kevitra hanilihana ireo mahantra izay mety hahamenatra ny tompon’andriakitry ny tanàna. Vao misy anefa ny savorovoro dia ny governemanta no voatery manao ny fandaminan-draharaha.

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre