Nosy “îles éparses” – Hangatahana ny Oif hanohana ny famerenana azy amin’ny Malagasy
Taorian’ireo hetsika nandritra ny fihaonam-be nasionaly, nokarakarain’ny fikambanana “Association Nosy Malagasy” (Anm), natao tao amin’ny lapan’ny tanànan’Antananarivo renivohitra ny 23 jolay 2016 dia nodinihina tamin’ny tapany voalohany tamin’izay ny fijerena vahaolana isam-paritany sy manerana ny nosy izay nifantoka manokana tamin’ny fitakiana ny fameranana ireo nosy “îles Eparses “, amin’ny firenena malagasy. Marihina fa izay kely teo ampelatanana sy ny fanampiana avy amin’ireo Diaspora no nentina nanatanteraka io fikaonan-doha io.
Noho izany dia mantenana ny rehetra izy ireo mba hiombom-peo aminy ka hanao fanambarana iraisana mandritra ny fivoriam-be antampony faha-16 ny Frankofonia mba hangataka ny fanohanan’ny Oif (Organisation Internationale de la Francophonie) amin’ny fitakiana ny fampiharana ilay vahaolana 34/91 tamin’ny 12 desambra 1979 nandritra ny Fivoriambe ny firenena mikambana mikasika “ny fameranana tsy misy hatakandro ary tsy misy fepetra ireo nosy malagasy izay tanan’ny governemanta frantsay amin’ny tsy rariny”.
Ka dia manao antso avo izy ireo hiray feo amin’ny fangatahana fanampiana amin’ity vondrona iraisam-pirenena ny firenena miteny amin’ny ampahany na manontolo ny teny frantsay ity hanohana ny fangatahan’ny malagasy. Marihina fa ny Anm dia fikambanana tsy manao politika ary tsy mitady fahafaham-po afa-tsy ny fampiharanana tsotra izao ny fepetra iraisam-pirenena ary tsy mieritreritra ny hanongam-panjakana na hitarika ny olona hanao herisetra.
S.A