Anosy – Mitaraina ireo mpitondra môtô scooter
Ho avy tokoa ny frankofonia ka mila voatsiary avokoa ireo mpitandro filaminana. Efa hatramin’izay ireto farany no mananarao-pahefana fa vao mainka mahazo vahana izy ireo amin’izao fotoana hanamafisana mafy ny lalàna izao. Matetika anefa tsy ny lalàna loatra intsony no antony anaovan’izy ireo ny asany, indrindra fa ireo polisy mpandrindra ny zotra eny an-dalambe fa ny fitadiavam-bola tsotra izao fotsiny. Amin’izao fotoana izao mantsy dia mitaraina fatratra ireo mpitondra kodiaran-droa scooter fa mila vaniny ireo polisy, indrindra fa ireo mitoby eo amin’ny fihodinana eo Anosy, manoloana ny Antenimerandoholona. Maromaro ry zalahy no indray miambina eo ka izay kodiaran-droa scooter na marika hafa dia enjehan’izy ireo sakanana avokoa. Voalaza mantsy fa ilan’izy ireo vaniny avokoa ny taratasy rehetra na ny « papier » izany na ny assurance. Raha sendra misy hadino aza moa na ny « vinette » fotsiny aza dia homena ireny contravention ireny ilay mpamily. Maro mihitsy aza no voarahona fa hampidirina « fourièrre » raha toa ka tsy manao aroloha na tsy ara-dalàna ny taratasy rehetra. Raha ireo tranga voatanisa ireo anefa no miseho dia tokony sazy no azon’izy ireo. Etsy andanin’izany dia mitaky vola ihany koa ry zalahy. Tsy toy ny taloha intsony fa efa vola ambonimbony mihitsy no takiany amin’izany. Taloha manko raha dimy arivo ariary no naloa dia tsy mety intsony ry zalahy raha tsy iray alina. Ny mpandeha moto moa na tsy te handoha ity lelavola izay heverina ho sazy dia tsy manan-tsafidy fa tsy maintsy manolotra. Ny kolikoly anefa voararan’ny lalàna ka mitaky fanaraha-maso akaiky ireo vahoaka majinika izay voahararaotra lava izao.
Ra Tax.