Vous êtes ici :

Mardi 26 Novembre 2024

ombre

Analakely – Vehivavy adala mipotsaka « hemoroide » mandady eraka ny tanàna

Manohina ireo izay mahita ary mahatsiravina mihitsy aza indraindray, anefa dia mampalahelo ihany koa amin’ny lafiny iray. Vehivavy iray voalaza fa adala mipotsaka « hemoroide » no mivezivezy eraka ny tanànan’Antananarivo efa nanomboka herinandro lasa izay. Ireo tsy mahatanty mijery dia manakipy maso mihitsy satria efa tena hila hivoaka ny lava-pitombenan’ilay ramatoa mihitsy ny tsinaim-bodiny rehetra. Tsy vitan’izany anefa fa mbola mandady sy mihisakisaka tsikelikely io ramatoa io rehefa eny an-dalambe, hany ka manintona ny mason’ireo olona izay mandalo rehetra. Araka ny voalazan’ireo mpivarotra eny  amin’ny manodidina izay matetika mahita azy ity dia mbola sokirin’io ramatoa adala io ihany ny very eo amin’ny faritry ny vodiny ary mitarika faharatrana mafimafy kokoa eo aminy izany. Raha ny vaovao azo hatrany dia toa hoe mihoaka lava koa ity ramatoa ity ary tsy miala eo am-bavany ny tanany iray. Tsy vitan’izany fa araka ny hita tokoa dia miraraka izay tsy izy ny lelon’ity ramatoa ity ary dia trohany izany. Tsy miteny, tsy mangataka ary tsy misy azon’ity farany atao intsony moa noho ny aretina sy ny fahoriana mahazo azy. Ny olona rahateo tsy mahita fomba hanampiana azy satria na hanantona azy aza dia tsy miteny tsy mivolana izy ary azo lazaina hoe maharikoriko ihany ny fofona avoakany noho izy misikotra fako eny amin’ireny tatatra ireny. Ny vary masaka izay arian’ireny toeram-pisakafoanana eny amin’ny manodidina eny no ohaniny. Fanontaniana mipetraka noho izany ny hoe ataon’ny fanjakana aiza ny olona tahaka ireny satria iaraha-mahalala fa maro ny adala eto an-drenivohitra. Nangonina tany amin’ny toerana iray mantsy ny tsy manan-kialofana sy ireo mahantra rehetra mpatory an-tsena ary manahoana kosa ny mombaireo adala mameno ny tànana?

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre