Ambatondrazaka – Nentin’ilay rangahy nandositra ny safira
Malaza loatra tato ho ato ity kariera vaky any Didy Ambatondrazaka ao amin’ny faritra Alaotra Mangoro ity. Tsy vola kelikely fa tena mahatratra miliara maromaro no mihodina ao an-toerana. Azo tarafina amin’izany fa mivoatra avokoa ny zava-drehetra. Eo, ohatra, ny fiainana andavanandron’ny mponina, ny vidim-piainana ary indrindra ny toe-tsaina. Ity farany izay mety hiseho amin’ny endrika roa na mivoatra amin’ny lafiny tsara ka tarafina amin’ny fanomezan-danja ny soatoavina malagasy toy ny fifanampiana sy ny firaisankina satria samy mpiavy avy amin’ny faritra maro ka mifamelona na dia hitady vola aza ny antony ahatongavana any amin’ity toerana ity. Eo ihany koa ny fanomezana lanja ny vola ka very hasina ny fahendrena malagasy. Ity farany anefa no tena manjaka amin’izao vanim-potoana ankehitriny izao. Tsy rediredy akory ny an’ity mpanoratra iray raha nilaza fa “Aleo very tsikalakalam-pihavanana toy izay very tsikalakalam-bola”. Satria na ny namana akaiky aza mahasahy mivadika amin’ny fotoana tsy ampoizina.
Toy izay nitranga tany amin’ny faritra Alaotra Mangoro tamin’ity volana ity. Mpinamana avy any amin’ny faritra Amoron’i Mania izy ireo no niaraka nandeha nitranga tany amin’ity toerana ity efa volana maromaro. Niara-niasa tokoa ary dia nahazo. Raha efa izany dia nifanaraka fa hitondra ny entana hamidy eto an-drenivohitra. Rehefa tonga tamin’ny toeram-pisakafoanana iray tao antampon-tanànan’Ambatondrazaka anefa dia nilaza ilay namana nitondra ny entana fa hivoaka kely haka rivotra. Natoky tokoa ity raim-pianakaviana naira-dia taminy ka niandry teo. Araka ny fitantaran’ity lasibatra dia efa ho ora maromaro izy no niandry tao ka rehefa tsy nipody rangahy dia tonga saina izy ary niverina tany ami’ilay fianakaviana nitobian’izy ireo, tsy niverina tao koa anefa izy. Sarotra tokoa ny fiainana ary tsy misy tandroka ny ratsy. Very hevitra izy ka hany hery dia nanohy ny dia niakatra sy nihazo ny lalam-pirenena fahafito hamonjy ny vady aman-janany.