Hanao matso ny fiaramifono vy
Tsy an-kandasitra intsony ity fa tena izy. Tsy hampidera bika toy ny fanao eny Mahamasina mandritra ny matson’ny 26 jona ireo tandroka aron’ny vozona fa hivoaka ny toby ary vonona ny hiatrika ady. Havoaka toy izany ihany koa ny fitaovam-piadiana mahery vaika ary ho hitan’ny vahoaka eny amin’ny arabe iny. Fiara mifono vy miisa 30 any ho any no hampiasaina mandritra ny fandraisana ny fihaonana an-tampon’ny frankofonia. Miaramila sy polisy ary zandary amin’ireo tena sangany miisa 4 000 ihany koa no haparitaka eto Antananarivo renivohitra sy Ivato amin’io fotoana io. Moa va tsy toy ireny amin’ny matso ireny mihitsy? Tena efa fitaovana entina miady sy mifanandrina amin’ny mpanani-bohitra mihitsy no ahetsiky ny Fanjakana amin’ity indray mitoraka ity. Mbola vitan’ny basy kalaky ihany mantsy raha toa ka ady amin’ny asan-jiolahy ary ampy tsara ny baomba mandatsa-dranomaso raha hetsi-bahoaka no horavana. Na tamin’ny fotoana nanafihan’ny Emmoreg ny hery vonjy taitran’ny zandarimariam-pirenena (Fign) izay heverina ho anisan’ny toby mafy indrindra aza dia tsy nitondra fiara mifono vy ireo miaramilam-panjakana fa fiara 4×4 sy kamiao ary basy kalaky no nentin’izy ireo nandravana ireo noheverina ho mpioko. Amin’ity frankofonia ity anefa dia navoaka mihitsy ny fitaovana mavesatra mba ho fiarovana ireo vahiny mpandray anjara amin’ny fivoriana ary ho fiarovana ny firenena manoloana ny risika rehetra mety hiseho. Fa inona tokoa moa izany no tena atahorana hitranga? Misy karazany maro izy ireo saingy tombatombana ihany ny an’ny rehetra ary fepetra hisorohana no raisin’ny mpitondra. Voalohany tena atahorana ny asa fampihorohoroana. Misy vondrona tsy mankasitraka ny fivoriam-be iraisam-pirenena toy izao ary manararaotra ny fihaonana mba hampisehoan-kery. Fanapoahana baomba, sy fakana takalon’aina ary famonoana olona faran’izay betsaka no tena fomba fanehoan’izy ireny ny heviny. Ny toeram-pivoriana sy ny mpivory no lasibatra voalohany amin’izany. Tsara ambina anefa ireny toerana ireny ka rehefa tsy mahita hirika ny mpampihorohoro dia ny olon-tsotra no kendren’izy ireo. Ny toerana be olona toy ny seranam-piaramanidina, ny tsena, sy ireo tranom-barotra lehibe hatrany no lohalaharana amin’ny fanapoahan’ny mpampihorohoro baomba na fitifiarana olona. Eo ihany koa ny toeram-pianarana, indrindra ny oniversite. Ankoatra ny fampihorohoroana iraisam-pirenena dia ahiana ihany koa ny fanakorontanana avy ato anatiny. Iaraha-mahalala ary tsy mbola nisy mangirana hatramin’izao ny tohin’ilay fanapoahana baomba nahafatesana olona 2 teny Mahamasina tamin’ny andron’ny fetim-pirenena. Efa nanao izay ho afany tamin’ny fanamafisana ny fiambenana ny mpitandro filaminana nefa dia mbola ireny niseho ireny ihany ny loza. Izany hoe misy goragora ihany ao anatiny ao. Manampy trotraka ireo ny fihetsiketsehana be misy eo anivon’ny mpitandro filaminana. Misy mihitsy ireo manam-boninahitra tsy manafina ny tsy fankasitrahany intsony ny mpitondra Fanjakana. Izany hoe amin’ny vanim-potoana toy izao no tena misy risika mety hisian’ny fiokoana eny anivon’ny toby eny. Mety tafiditra ao anatin’izany ny fandraisana fepetra hampiakarana miaramila sy polisy ary zandary miisa 4 000 miaraka amin’ny fiara mifono vy sy angidim-by ary fitaovam-piadiana mahery vaika eto an-drenivohitra. Tombatombana ihany anefa izany rehetra izany fa hatreto aloha dia azo ambara ho milamindamin-dratsy ny toe-draharaha politika eto Madagasikara. Na misy miteny sy manakihana ny Fanjakana aza ny avy amin’ny mpanohitra dia karazan’ny manao litania sisa no betsaka satria resaka efa noresahina hatramin’izay ihany no averimberina eo. Fitantanana sty mahomby, fivarotana harem-pirenena, tokony hiala ny mpitondra, sns… Saika mifantoka amin’ny fanehoan-kevitra sy ny resa-be fotsiny ny mpanohitra malagasy fa tsy dia miraika firy amin’ny fanaovana hetsika. Tsy mahatarika olona rahateo noho ny fepetra hentitra entin’ny Fanjakana handrarana ny hetsika an-dalam-be.
Ravalo tsy Manana