Tovovavy lanin’ny maingoka – Maty rehefa notsindromin’ny dokotera
Tantara tena mampalahelo tokoa satria dia tovovavy iray eo amin’ny 20 taona eo ho eo no nokaikairin’ny maingoka tamin’ny molony nandritra ny alina rehefa izy mbola tao anaty torimaso iny. Nivonto be izany ka novonjena haingana noentina tany amin’ny mpitsabo. Saingy kosa rehefa izy notsindromina ranom-panafody iny dia tsy tana ny ainy. Ny antony dia tsy zakany ny fanafody natao taminy. Mampihetsi-po tokoa satria dia tohina sy nalahelo ny rehetra nahare izany. Marihina fa tany amin’ny faritra avaratra ny nosy iny no niseho ny tantara omaly zoma.
S.A.