Tontolon’ny kanto malagasy – Nodimandry ny rain’i Marion mpihira
Mpihira efa fanta-daza ary anisan’ny sangany tokoa raha i Marion. Misy ankehitriny ny vaovao mampalahelo momba azy, izay mahakasika azy mivantana. Maty omaly ny rain’ity mpanakanto malagasy ity rehefa niady tamin’ny fahafatesana tany amin’ny hopitaly. Tao amin’ny serasera facebook no nahafahana nahafantatra ny vaovao. Sarin’ny rainy entina amin’ireny fitondrana marary ireny no naparitak’ity mpanakanto ity tao amin’ny rindrin’ny facebook-ny. Milaza fa marary mafy ary miady amin’ny fahafatesana ny rainy. Ora vitsy taorian’io anefa dia efa nisy sary vaovao indray naparitany izay milaza fa nindaosin’ny fahafatesana ny rainy. Andriamanitra tokoa ny tompon’ny aina fa ny fikasana no anjaran’ny olombelona. Nampahery azy hatrany ireo namany mpanakanto sy ireo mpakafia azy tamin’ny alalan’ny fanehoan-kevitra maro be. Mampahery sy mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana sy ny akaiky an’i Marion noho izany izahay eto amin’ny gazety Madagascar Matin. Nanamafy anefa izy fa ho avy mandritra ilay fampisehoana goavana izay andraisany anjara izay hotontosaina eny Bevalala ny 27 novambra ho avy izao.
Ra Tax.