Vous êtes ici :

Samedi 23 Novembre 2024

ombre

Bazarikely Toamasina – Amidy eny an-tsena ny vary sinoa vita amin’ny “plastika”

Raha mizotra tsara ny fiaraha-miasa amin’ny fanjakana malagasy sy ny sinoa any ambony, tsy toy izany kosa anefa no miseho amin’ny  vahoaka madinika aty ambany. Tena zava-doza tokoa  satria tsy mbola fahita raha tsy tamin’ity fanjakana Rajaonarimampianina ity no nisy vary vita amin’ny “sachet plastique” avy any Sina. Marihina fa ny sinoa no mpamokatra vary be indrindra maneran-tany. Heverin’ny rehetra ho vazivazy izany raha niparitaka tamin’ny tambajotra facebook ny horonan-tsara fanamboarana izany tato ho ato.  Ny “fecule” na ovy nototoina no afangaron’izy ireo amin’ny sachet plastique ka ampidirina milina manova izany ho toy ny vary.  Efa nisy ny fanamboarana atody vitan’ny olombelona na tongola gasy vita tanana fa ity kosa dia tantara tena marina ary tena misy. Efa vitsy sisa ny firenena tsy mahafantatra azy io aty Afrika. Efa nisy ny mpanamboatra azy io voasambotry ny polisy  sinoa vao nandeha vaovao vao hainga. Eo koa ny fanondranana henan’olombelona afangaro amin’ny tena hena aondran’ny firenena sinoa aty Afrika.

Omaly dia tovolahy iray avy any Toamasina no tena nampita ny vaovao tao amin’ny pejy Ino vaovao ary dia nalainy sary tokoa izany amin’ny fisian’io vary sinoa vita amin’ny plastika io ao bazary kely. Loza tokoa satria ny madinika izay tsy mba mahalala izany dia mividy ary raha tsy mieriteritra kely dia mety mihinana izany mihitsy. Fa ny tena mampatahotra ny maro dia ny sao hanafangaroan’ireo mpivarotra tsy mataho-tody izany amin’ny vary tena izy ka hamidy eny an-tsena.  Ny hany ahafantarana ny vary tena izy sy ny tsy izy dia maka rano amin’ny vera dia maka vary iray sotro fihinana. Arotsaka ao anaty rano ka ny vary tena izy tonga dia midina any amin’ny farany ambany fa ny vary vita amin’ny plastika kosa mitsingevana. Fomba hafa ahafantarana azy koa dia atao amin’ny afo mitsonika ilay plastika ary ny tena vary fotsy tsara ny vovony fa izy somary manopy mavo fotsiny.

Safidy Andrianina

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre