Vous êtes ici :

Samedi 23 Novembre 2024

ombre

Toamasina – Nolazaina fa andramena ireo hazo tsotra

Manoloana ny tatitra nataon’ny gazety mpiseho isan’andro iray izay nivoaka ny alakamisy 17 novambra 2016 lasa teo izay milaza fa « taterina amin’ny sarety ny boaderôzy », dia niantso ny mpanao gazety ny talem-paritry ny tontolo iainana, ny voary ary ny ala eto Toamasina, ny Dokotera Christian Ratsimbazafy, ka nitondra fanazavana mahakasika izany. Nambarany àry fa tsy andramena velively ny sary hita tamin’ny gazety iny, ary nohamafisiny fa tsy ity karazan-kazo ity rahateo no notaterina nandritra io fotoana io, fa hazo tsotra. Tsy andro alahady ihany koa no nisian’io fitaterana hazo tsotra io. Nambarany fa eo am-panadiovana ny birao sy ny manodidina ny sampan-draharaha ny tontolo iainana, ny voary, ary ny ala eto an-drenivohitr’i Toamasina amin’izao fotoana izao. Maro ireo hazo izay nogejaina efa ela nitoerana, hany ka simba ary mandoto ny tanàna, ka izay no nanalana ireo hazo efa potipotika ireo. Araka ny lalàna manan-kery, ny didy hitsivolana 2011-001 ny 08 aogositra 2011, dia mbola mipetraka ny tsy fahafahana mitrandraka na mitatitra, na mivarotra ireo “andramena” na “hazomainty” eto Madagasikara. Noporofoin’ity talem-paritry ato anatin’ny Faritra Atsinanana ity, ary vavolombelon’izany ny mpanao gazety, fa mbola eo avokoa ireo andramena nogiazana anatin’ny toerana nametrahana azy ireo.  Hisorohana ny filazàna, izay tsy marim-pototra toa izao ka mety hanimba ny asa fanaovan-gazety, dia hentitra  ny tenany raha nilaza fa : “Tsy mbola nanavaka olona, na nanidy varavarana ny sampan-draharaham-paritry ny tontolo iainana, ny voary ary ny ala, ka raha misy liam-baovao dia vonona hanome fahafaham-po izahay”,  hoy hatrany ny Dr Christian Ratsimbazafy.

ZOUZOUH Toamasina

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre