Anosy – Mpangalatra saika angalatra tanaty fiaran’olona traha-tehaka
Tena izay vao tonga amin’ilay fitenenana manao hoe eo ambaravaran’ny mpamoasy no manoko sikidy. Lehilahy iray nikasa ny hangalatra tao anaty fiaran’olona nipetraka teo alohan’ny fitsarana Anosy mantsy no tra-tehaka ny alakamisy lasa teo. Tsy tahotra tsy henatra fa dia nopitsohin’ilay mpangalatra ny varavaran’ilay fiara dia niditra soa aman-tsara tao anatiny ity rangahy ity. Toy ireny tompony ireny mihitsy izy ary dia efa nisikotra ny « autoradio » an’ilay fiara. Olona sendra nandalo anefa no nahita fa toa manao fihetsika hafahafa ity lehilahy ity ka nampandre ny olona teo amin’ny manodidina. Nodidin’ireto farany noho izany ilay fiara ary voahidy tao izy. Tao anaty minitra vitsy monja dia nitangorona ny olona ary maro tamin’izy ireo no efa niandry fotsiny ny ivoahany tao mba hampiharana ny fitsaram-bahoaka aminy. Araka ny vaovao azo dia efa nihorakoraka ny olona fa hoe hotapahana ny tanany sy ny sofiny rehefa mivoaka eo izy. Tsy afaka nanao izany anefa izy ireo satria teo anoloan’ny fitsarana mihitsy no niseho ilay zavatra ka tsy maintsy natolotra ny manam-pahefana ny raharaha. Navoaka moramora tao anaty fiara ilay rangahy. Araka ny vaovao azo hatrany dia efa mpihaodihaody eo amin’ny manodidina eo isan’andro ihany izy. Nentina avy hatrany tany amin’ny biraon’ny polisy ary rava-maina ny fitangoronana sy ny fikasana ny hanapitra ny ain’ilay mpangalatra.
Ra Tax.