Lalan’ny frankofonia – Vao mainka miteraka fitohanana
Tetik’asa anisan’ny nandaniana vola ary tena ireharen’ny fitondram-panjakana amin’izao mihitsy io lalana mampitohy an’Ankasina sy ny lalana mankany Ivato io. Raha ny vinavinan’ireo nanana ny hevitra dia hanamorana ny fifamoivoizana mandritra ny fihaonana an-tampony ny firenena mampiasa ny teny Frantsay ampahany na manontolo eto Antananarivo no tena antony nananmboarana ity. Tsy mizotra arak’izany akory anefa izy io amin’izao satria io lalana io indray no lasa miteraka fitohanana lava dia lava. Raha nanomboka teo Andranomena eo amin’ny tobin-dasantsy Jovenna taloha ny fitohanana eny amin’iny lalana mizotra mankeny Ivato iny dia lasa mihemotra any Andohotapenaka izy amin’izao fotoana izao. Tsy toy ny taloha hoe mba mandeha ihany ny fitohanana anefa fa lasa dia tena miraikitra na ireny « vody hazo » ireny hoy ny fitenenana. Hany ka lasa mandany adiny 2 na adiny 3 mahery mihintsy ireo fiara vao tonga any Talatamaty. Raha ny voalazan’ny ankamaroan’ny sofera dia ilay fihodinana na « rond point » ngeza dia ngeza eo alohan’ny kianja Maki io mihintsy no mahatonga io fitohanana io, ankohatra ny fifanenan’ny fiara avy any Ambohimanarina sy ny manodidina. Mitaraina noho izany ny mpitatitra fa mihena ny isan’ny lalana vitan’izy ireo. « Raha tokony avita tour 5 izahay dia lasa 3 sisa no vita. Ny mpandeha koa dia aleon’izy ireo mandeha tongotra toy izay miharitra fitohanana lavareny », hoy ny mpandray saran-dalana iray. Hita noho izany ny maha tetik’asa petatoko ity lalan’ny frankofonia ity. Efa miseho ihany koa ny fahamatoran’ny fitondram-panjakana satria lalana tsy vita tsara akory no iheboheboana tokanana. Efa fantatr’izy ireo mantsy fa ho avy tsy ho ela ireo vahiny ka hanatsarana ny endrik’ivelany fotsiny no nanokanana azy. Misy mihintsy aza ny manahy fa ihotsaka ny sisan’io lalana io raha latsaka misesisesy io orana io. Voalaza anefa fa manaraka ny fenitra iraisam-pirenena io lalana io anefa nenjikenjehina tanaty enim-bolana monja. Mampanontany tena ny tsy ahavitan’ny fanjakana ny lalana rehetra eto Andrenivohitra raha mahavita toy izany ihany izy ao anaty fotoana fohy sy tery.
Ra Tax.