Vous êtes ici :

Dimanche 24 Novembre 2024

ombre

Faritra Atsinanana – Mandravarava ny afo

Raha oviana tokoa moa vao ho lany ny alan’Antsinanana ? Efa ho lany tokoa izy izao satria dia mampitsangambolo ny mijery ny zava-misy raha toa ianao ka mandeha amin’iny lalam-pirenena faha 2 mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina iny. Mandravarava ny doro tanety nohon’ny fambolena fa indrindra nohon’ny fanaovana arina fandrehitra na “Charbon” any amin’iny faritra iny. Raha vao miainga eo Mandraka ka hatrany Toamasina dia tsy latsaky ny enina ny ala mirehitra tazana avy ao ananty fiara. Ny faritra efa manomboka mangadihady sy madiodio vokatr’izany efa tsy voarefy intsony. Marihina nefa fa 20 isan-jato sisa no faritra rakotra ala eto Madagasikara ka any amin’iny faritra Atsinanana iny no tena misy izany. Ary tsara ho fatantra ihany koa fa ny fandorana ala no tena zavatra mampatahotra indrindra aty amin’ny faritra Tropikaly saingy tsy misy ny fandraisana andraikitra ataon’ny fanjakana ka dia manao izay danin’ny kibo avokoa ny rehetra amin’ny fandorana ny ala.

S.A

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre