Frankofonia – Voasava hatramin’ny mpividy hiditra tranombarotra
Hafa nohon’ny hafa mihitsy ity fandraisana ny fikarakarana ny fivorana an-tampony amin’ny Firenena miteny frantsay ity. Hentitra dia hetitra tokoa ny fitandroana ny filaminana ary toan’ny any amin’ny firenena eropeanina avy nianjadian’ ny asa fampihorohoroana ireny mihitsy. Ankoatra ny fisian’ireo mpitandro filaminana zandary sy miaramila ary polisy izay tazana mijoro eraky ny sisin-dalana, izay misy isaky ny 25 metatra dia feno azy ireny koa eny amin’ireny tranom-barotra lehibe ireny. Savaina tsirairay avokoa ireo mpividy miditra « Centre Commercial » sy ireo Grande Surface toan’ny Shoprite Analakely ohatra dia savain’ny « securié » tsy iray iray tsy misy ankanavaka ireo mpividy hiditra hiantseana ao amin’ny tranombarotra. Ny anton’izany dia ny fisian’ireo vazaha tong amaro nohon’ny fahatangavan’io fivoriam-be an-tampon’ny frankofonia io. Ary dia gaga tokoa ny rehetra ary manontany tena hoe fa maninona moa no tsy noraisina izany fepetra fitandroana ny filaminana izany izay ela izay. Ary rehefa tonga ny vahiny izay vao ampahafantarina ny olom-pirenena ny lalàna. Izay gaga tokoa ny rehetra rehefa maheno ireo tompon’andraikitra milaza amin’ny haino aman-jery sy ny Gazety fa hoe “lalàna efa nisy efa ela be izy io fa izao vao ampiharina”. Mibaribary ankehitriny fa asian’ny mpitondra Malagasy sira lavitra kokoa ny vahiny any ivelany sy ny vahiny tonga noho isika vahoaka malagasy.
Manoloana izany tokoa dia misy ny olom-pirenena izay hikarakara ary efa nandefa taratasy tany amin’ireo olo manan-kaja vahiny ny Frankofonia mba hitondra ny hafatra izy ireo any amin’ny fitondrana malagasy fa izy ireo no henoin’ny mpitondra kokoa nohon’ny malagasy. Isan’izany ny ezaka lehibe dia lehibe ataon’ny fitondrana malagasy miezaka manafina ny fahatran’ny malagasy. Toan’ny fikambanana “Wake Up Madagascar” dia nanao hetsika tamin’ny faran’ny herinandro teo teny Antanarinarenina manoloana ny lapan’Ambotsirohitra, mba history amin’ny vahiny ny fahorian’ny vahoaka. Namelatra sora-baventy misoratra hoe” Honorabe invité. Le Peuple malagasy se meurt, soyez notre porte parole auprès de nos dirigents qui veulent absolument vous cacher nos réalités », izay midika tsoatra hoe « ô ry vahiny manan-kaja isany mba meteza ianareo ho mpitondra teninay any amin’ireo mpitondra anay, izy ireo izay te hanafina mafy amininareo ny tena zava-misy marina iainanay ». Izay tena nankasitrahan’ny malagasy maro tokoa.
Safidy Andrianina