Vous êtes ici :

Dimanche 24 Novembre 2024

ombre

Arivonimamo – Tratra ireo jiolahy nangalatra biscuit iray sy coca-cola iray

Mampitondra faisaina efa amam-bolana maro ireo mponina any amin’ny faritra Itasy ny jiolahy amin’izao fotoana izao amin’ny alalan’ny fanafihana mitam-pihadiana. Tsy mifidy intsony izy ireo fa na dia tokan-tranon’olona tsy manan-katao aza dia lasibatra avokoa. Alain-dry zalahy hatramin’ny vilany sy ny vilia rehefa tsy misy ny vola. Ny alakamisy lasa teo dia nitrangana fanafihana tao amin’ny toerana iray antsoina hoe marofangady, ao amin’ny distrika Arivonimamo, tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany ariva. Araka ny voalaza dia tranon’ny Ben’ny tanàna tao an-toerana no lasibatra ary voatifitrin’ny basy kalachnikov tamin’izany ny vadin’ity farany ka naratra. Lasa tamin’izany ny vola 224 000 Ariary niaraka tamin’ny biscuit 1 sy coca-cola 1. Rehefa naheno ny vaovao dia niroso tamin’ny fanarahan-dia ireo zandary roa avy ao Manalalondo miaraka amin’ny fokonolona ka tratra teo amin’ny fokontany Anketrika ireo Jiolahy. Raikitra ny fifampitifirana ka maty ny jiolahy roa, tratra kosa ny iray, dia lehilahy 21 taona, monina ao Miarinatsimo ihany. Naratra eo amin’ny kitro sy ny fe ka tsaboina ao amin’ny hôpitaly Manalalondo ity farany amin’izao. Naverina tamin’ny tompony avokoa ireo zavatra nangalarina. Tratra niaraka tamin’izy ireo ihany koa ny basy marika Simplex ary efa nogiazana ao amin’ny polisy Manalalondo izay misahana ny fanadihadiana.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre