Miato ny raharaham-pirenena
Vao notapohiny araka ny fitenenana ! Karazan’ny miato tantetaka mantsy ny raharaham-pirenena amin’izao fandraisana ny fihaonana an-tampon’ny frankofonia manomboka anio ka haharitra hatramin’ny sabotsy izao. Sambany ny handray fihaonana iraisam-pirenena i Madagasikara ka naleon’ny mpitondra nampiato ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny mihitsy. Najanona tsy mianatra ny mpianatra, tsy avela mifamoivoy ny fitaovam-pitaterana sasany, misy sokajin’olona roahina tsy hahazo mandeha eny amin’ny toerana mety handalovan’ny vahiny. Fepetra maro ihany koa no noraisina manokana amin’izao fihaonan’ny frankofonia izao. Raha ny fanombanana azy avy ety ivelany dia toa tsy misy afa-tsy ny frankofonia no ao an-tsain’ny mpitondra. Hadino vetivety ary karazan’ny navela mihitsy ny raharaham-bahoaka.
Mba efa nanatrika fihaonana iraisam-pirenena maro ihany ny tenanay fa tsy mbola nahita mihitsy hoe najanona tsy nianatra ny mpianatra na ihany koa nisy fepetra goavana nandraràna ny vahoaka tsy hifamezivezy amin’ny toerana mety handalovan’ny fiaran’ireo vahiny handray anjara amin’ny fivoriana. Ho an’ireo firenena efa mandroso sy zatra mandray fihaonana avo lenta dia mitovy tsy misy mahasamihafa azy ny vahoaka ao aminy sy ireo vahiny nasaina. Tadidiko tsara tany Sydney Australie nandritra ny fivoriana iraisam-pirenena iray tamin’ny taona 2014 ny nahita ny filoha Rajaonarimampianina mivady nivezivezy toy ny olon-drehetra tao amin’ny seranam-piaramanidina. Tsy nisy nahalala ary tsy nisy te hahalala akory hoe filoham-pirenena anie iny olona iny. Olona tsotra sy tsy maka sarotra rahateo ny filoha malagasy ka tsy nametraka olana tamin’izany. Na ny fiara notaingenany niala ny hotely sy ny toeram-pivoriana izay nanaovany kabary aza dia ratsy lavitra noho ny fiara fitondran’ny malagasy sasany andavanandro.
Tamin’ny fivoriam-be tao Parisy tamin’ny taon-dasa ihany koa dia betsaka ireo minisitra sy delegasiona ambony avy amin’ny firenena maro no tazana nandeha fiara fitateram-bahoaka niaraka tamin’ny mponina frantsay. Tsy nisy mihitsy tamin’izany ny fanapahana lalana ho an’ny delegasiona vahiny fotsiny na ihany koa fandrarana fitaovam-pitaterana sy sokajin’olona fa dia tazana tao Parisy avokoa ny sokajin’olona rehetra. Ny eto Madagasikara anefa fihaonana kely tsy malaza maneran-tany akory dia hanaovana fihetsiketsehana be tsy misy toy izany.
Tsy misy maharatsy ny fandraisana ny frankofonia nefa kosa izany tsy tokony hatao hanaovana ankilabao ny vahoaka sy ny raharaham-pirenena. Toy ny fihaonana rehetra ihany mantsy io ka misy fotoana handraisan’ny tompon’andraikitra anjara ary misy fotoana kosa hanohizan’izy ireo ny asany andavanandro. Tsy azo hadinoina fa mandalo ny fandraisana ny fivorian’ny frankofonia fa ny raharaham-pirenena kosa mitohy sy mila karakaraina isan’andro. Mety hiteraka fatiantoka goavana raha sandaina ny fanajanonana ny fampianarana sy ny asa sasany mandritra ny herinandro noho io fihaonana io.
Ny raharaham-pirenena eny anivon’ny sampan-draharaham-panjakana anefa no nahitana fiovana fa ny fiainam-bahoaka toy ny omaly tsy miova ihany. Hatramin’ny faran’ny herinandro lasa iny ary nitohy omaly izao dia efa hita taratra sahady ny fanelingelenana vokatry ny fikarakarana ny fivoriamben’ny frankofonia. Saika lasibatry ny fitohanan’ny fiarakodia avokoa mantsy ny ankamaroan’ny faritra teto an-drenivohitra. Ny antony mahatonga izany dia ny fanaovana ho laharam-pahamehana ny fanomezan-dalana ireo fiara mitondra delegasiona vahiny na ihany koa ireo nahazo alalana hanao ny asan’ny frankofonia mba handeha aloha. Ny malagasy tompon-tany sy vahoaka madinika dia voatery tsy maintsy miandry ny rariny fotsiny sisa.
Vao manomboka ity fihaonana ity ary mbola maro ny lesoka azo ahitsy koa anjaran’ny tompon’andraikitra no mitady vahaolana amin’izany mba ho tena reharehan’ny vahoaka malagasy ny fandraisana io fihaonana io fa tsy ho zioga. Hatreto aloha dia maro no tsy faly amin’ny fandaminana rehetra, izay napetraky ny fanjakana satria toa vao mainka lasa manakorontana ny efa fahazaran’ny andavanandrom-piainan’ny mponina ny zava-misy.
Ravalo tsy Manana