Vous êtes ici :

Lundi 25 Novembre 2024

ombre

Mahajanga – Mandripaka ny aretina tefoedra

Anisan’ny aretina iray mbola tena mamono olona betsaka eto Madagasikara ny tefoedra na « fièvre typhoïde ». Hatreto anefa dia tsy mbola misy antontan’isa mazava mikasika ny olona mitondra ny otrikaretina « sarmonelatifi » izay mahatonga ny tefoedra ao amin’ny vatana. Ny hafanana be mihoatra ny 37° eo amin’ny vatana  sy 38° eo amin’ny sofina, miampy fivalanana no nentina naminavina hatramin’izay fa voan’ny tefoedra ny olona iray. Fomba iray tsy voamarina anefa io ka mety hisy fiantraikany hafa amin’ny marary. Mihazakazaka be rahateo ny fihanak’io otrik’aretina io rehefa tafiditra ao anaty vatana ka mety hamono haingana. Amin’izao fotoana izao, araka ny vaovao azo dia mandripaka ary tsy mifidy sarangan’olona ity aretina ity fa izay voa dia mandamaka avokoa. Olona 2 amin’ny 10 marary miditra hopitaly no voan’io aretina io. Marihina fa aretina azo avy amin’ny loto izy ity ary misoko mangina izay miteraka fahafatesana raha tsy misy fitsaboana.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre