Vous êtes ici :

Lundi 25 Novembre 2024

ombre

Faritra Diana – « Solde et des Pensions » – Mitaraina ireo mpiasam-panjakana anaovan’i Talem-paritra azy

Mitaraina ny mpiasam-panjakana ao Diana satria efa tsy zakan’ny saina ny toetra asehon’ilay Tale « division des visa et contentieux ao amin’ny service régional de la solde et des pensions » ao amin’ny Faritra Diana ao amin’ny Fokontany Cité  Ouvrière. Ireo taratasin’ny mpiasa rehetra mila fanamarinana avy amin’io toeram-piasana io dia miverina avokoa raha tsy manaraka ny sitrapon’ingahy Tale. Toy izao ny fanakianana  ataony amin’izany : mila malalaka tsara ny soratra, ngeza sy tsy manahirana azy ny mamaky ilay soratra, mila atao anaty tabilao tsara ny anaran’ireo mpiasam-panjakana anatin’ilay didim-panjakana sy didim-pitondrana mila atao visa sy ny sisa. Raha tsy izany tsy soniaviny ny antontan-taratasy fa voatery averina amin’ny servisy nandefa azy.

Ny olana dia maro amin’ireo antontan-taratasy tao ao amin’ny servisy misy azy no mijanona fotsiny ao satria avy lavitra ny tompony. Izany hoe avy amin’ny distrika na faritra hafa ankoatra an’Antsiranana na Diana. Tsy izay ihany fa misy ny avy amin’ny foibe aty Antananarivo ny ankamaroan’ireo antontan-taratasy . Voatery averina noho ny afitsok’ity tompon’andraikitra iray ity. Tsy izay ihany fa na volan’ny vady navelan’ny mpiasam-panjakana maty aza tsy soniaviny raha tsy manome azy ampahany amin’izany ilay olona tokony haka ilay vola raha ny fitarainana heno.  « Tsy mahagaga raha efa mahery ny 20 ny Bajaj ao anaty lakoron’ny division des visa et contentieux an’i Tale. Marihina fa iray amin’io Bajaj na tokotoko ireo dia mitentina farafahan-keliny 12 000 000 ariary”, hoy  ireo mitaraina. “Miangavy ny mpitondra foibe ny mpiasam-panjakana aty Diana sy izay avy niasa taty an-toerana ka nifindra amin’ny toerana hafa mba hijery sy hanala io tale io fa efa mizaka ny tsy zakany ny mpiasa sa andrasana ny mpiasa hanao fitokonana izay vao hisy fandraisana andraikitra”, hoy kosa ny hafa.

Nangon’i S.A

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre