Antsirabe – Nasaina nohanin’ilay mpangalatra hatramin’ny tain’omby
Ela nitoratorahana ka nahavoa voamason’angatra no niafaran’ity dahalo iray. Ny tampoka tokoa tsy maha lehilahy fa mpangalatra efa azo lazaina ho zatra ady izao no tra-tehaka teo ampanaovana ny asa ratsiny tao Antsirabe. Araka ny vaovao azo dia tratran’ny tompon’omby teo ampangalarana omby ilay rangahy ka noraisim-potsiny. Rehefa tsy afa-nikofoka intsony izy dia niantso ny fokonolona ilay tompon’omby ka teo vao nikoropaka avokoa nijery ny zava-nitranga ny rehetra. Nofatorana noho izany ny tanan’ilay rangahy voalaza fa mpangalatra ary teo no nandinihana ny hanaovana azy. Na dia maro aza ireo olona izay nifidy ny hamonoana azy, izany hoe hatao fitsaram-bahoaka dia nisy iray nanohitra sy te hanaporofo ny fahendren’ny fokonolon’Antsirabe. Nanapa-kevitra noho izany ny rehetra fa hampihinanana manta io rangahy io avokoa ilay omby izay fanahiniana novonoina teo imasony teo mihitsy. Nasaina nohaniny ny hena manta, saingy nampiarahana tamin’izany ihany koa ny tsinain-kena tsy misasa, miaraka amin’ny tain’omby rehetra. Tsy navelan’ireo fokonolona nijanona raha tsy nandoa mihitsy ilay rangahy mpangalatra. Tena maharikoriko tokoa nefa lesona tsara ho an’ireo izay mikasa ny mbola hangalatra omby any an-toerana ity tranga ity. Rehefa vita izany dia naverina nofatorana ny tanany sy ny masony ary niantso ny mpitandro filaminana ny fokonolona. Nanafatra tsara ny mba hitsarana azy araka ny tokony ho izy fa tsy hamela azy hivoaka ny fonja rehefa misy ny fanampenam-bava amin’ny alalan’ny vola ireto farany tamin’izany.
Ra Tax.