Vous êtes ici :

Mardi 26 Novembre 2024

ombre

Boriborintany fahatelo – Nahatratra valo ireo sarety nogiazana

Efa herinandro maromaro izay no nampilaza ny teo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra fa tsy misy mahazo mandeha ny kodiaran-droa scooter, ny  posiposy ary ny sarety  mandritra ny herinandron’ny frankofonia. Efa ela no nandrarana ireto farany mba tsy hampiasaina eny amin’ny arabe fandehanan’ireo fiara satria manimba ny arabe ary miteraka fitohanana. Tsy nahasakana ireo mpampiasa azy anefa izany satria fitaovam-pidiram-bolan’ireo madinika ireto karazana fitaovam-pitaterana ireto ka dia niasa tsy tapaka izy ireo, nangina ihany koa ny tompon’andraikitra. Tamin’ity fotoana fandraisana ny fihaonam-ben’ny firenena miteny amin’ny ampahany na manontolo ny teny frantsay ity kosa dia tena hentitra tokoa ireo mpitandro filaminana nampihatra ny lalàna tamin’ireo izay mbola ninia nandika ny fampitandremana efa natao. Atao hoe fanahiniana nefa kosa vokatry ny fahasahiranana dia voatery tsy maintsy miasa na dia voarara aza. Raha ny tazana teo amin’ny boriboritany fahatelo omaly dia nahatratra teo amin’ny valo teo ny karazan-tsarety fitaomana entana nogiazan’ny polisy. Ny mampalahelo aloha dia azo heverina fa toy ny fiara fitaterana mandika lalàna ihany izy ireny. Tsy maintsy misy ny sazy satria efa nampitandremana mbola sahy niasa ihany. Tsy finiavana handika lalàna loatra anefa satria io ny asa fiveloman’izy ireo. Io no hany mba fidiram-bola amelomana ny ankohonana ka raha tsy miasa tsy misy ny hatokona. Hain’ny fitondrana ny nanao ny haitraitram-panomanana ity fandraisana fivoriana goavana ity nadritra ny volana maromaro, tokony mba nodinihina tao anatin’izany ny solon’asa nomena ireto olona mivelona amin’ny fitarihana sarety sy posiposy ireto fa tsy fampiharana bontolo izay karazan-dalàna hanajana ny vahiny hanatrika ny frankofonia fotsiny no atao mahamaika. Izao karazam-pandravana tsy araham-bahaolana izao no fototry ny tsy fandriam-pahalemana eto amin’ny firenena ka tokony handinika tsara ny mpitondra vao mandray fanapahan-kevitra sy mampihatra izay lalàna heverin’izy ireo fa hampiova ny tontolon’ny fiainam-baahoaka.

Tahirisoa

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre