Misoko mangina ny mpanao ratsy
Raha mitodika tanteraka any amin’ny fivoriamben’ny tany mampiasa manontolo na ampahany ny teny frantsay ny fifantohan’ny fitondram-panjakana foibe dia mandry tsy lavo loha kosa ny vahoaka any amin’ny faritra. Nirongatra be indray mantsy fanafihan-dahalo sy ny asan-jiolahy mahery vaika tato ho ato. Toa fantatr’ireo olon-dratsy mihitsy fa tsy laharam-pahamehana ho an’ny mpitondra Fanjakana ny fitandroana ny fahalemana any amin’ny tany lavitra tsy misy mpahita any. Maro amin’ireo mpitandro filaminana sokajiana ho tena sangany sy mahomby any amin’ny faritra iasany avy no nantsoina hanatevin-daharana ny fiarovana ny vahiny nasaina hanatrika ny frankofonia eto Antananarivo. Misy ihany ny mizàna tsindrian’ila satria tena rakotry ny mpitandro filaminana tanteraka ny toerana rehetra mety handalovan’ireo vahiny. Ny faritra hafa kosa anefa dia tsy ahitana na singany iray aza. Tsy mahagaga, noho izany, raha mirongatra be ny asan-jiolahy sy ny fanafihan-dahalo. Tsy mahagaga raha tsy voafehin’ny mpitandro filaminana any amin’ireny toerana ireny intsony ny zava-misy. Latsaka an-tenantenany ny polisy sy zandary ary sahirana satria tena mafy loatra ny tahan’ny tsy fandriam-pahalemana sy ny herisetra. Andaniny ny olon-dratsy manao ny ataony amin’ny fampahoriana sy fandripahana ny fananam-bahoaka. Ankilany kosa ny fokonolona mirongatra ary tsy hay tohaina intsony amin’ny fiarovan-tena miseho amin’ny fitsaram-bahoaka. Na teo aza mantsy ny fanambaran’ny fitondram-panjakana sy ny ambaratongam-pahefana misahana ny fampiharana ny lalàna fa ho hentitra ny fanasaziana ny mpanao fitsaram-bahoaka dia toa vao maika izany mirongatra. Farany teo izao dia ny tompon’andraikitry ny filaminana mihitsy no voalaza fa nampitifitra ireo noahiahiana ho jiolahy. Amin’ny lojika na dia mety tsy hifanaraka amin’ny lalàna aza dia toa misy marina ihany io fitifirana olon-dratsy io. Matetika mantsy dia ny mpitandro filaminana indray no hifoteran’ny hatezaram-bahoaka. Efa maro ny tranga nanehoana tobin’ny zandary na polisy notafihin’ny fokonolona tamin’ny tora-bato ary norobaina sy nodorana avy eo. Farany teo izao dia ny kaomiseran’ny polisy mihitsy no nalain’ny fokonolona an-keriny sy nataon’izy ireo takalon’aina. Tena sahirana ny mpitandro filaminana any amin’ny faritra any nefa izy ireny dia tena manao ny asany saingy tsy ampy isa sy tsy ampy fitaovana. Efa an-jatony angamba izao ny miaramila sy polisy ary zandary niasa tany amin’ny faritra no maty amperin’asa satria notifirin’ny dahalo sy ny jiolahy. Rehefa tsy matin’ny olon-dratsy izany dia mety hiharan’ny hetsi-bahoaka ihany koa avy eo.
Karazan’ny diso paika ihany ny fitondram-panjakana nametraka ny dinabe izay andraisan’ny vahoaka anjara mavitrika ho fametrahana ny fandriam-pahalemana manerana ny Nosy. Rehefa tena nahomby mantsy ny tetikadin’ny dinabe ary hita fa afaka mifampitana tsara amin’ny jiolahy ny vahoaka dia toa manomboka mitodi-damosina amin’ny lalàna sy ny mpitandro filaminana indray avy eo. Tsy manaiky ny hampiharana ny lalàna, izany hoe hitondrana eo anatrehan’ny fitsarana izay olona heverina fa nanao heloka bevava ny sasany amin’ny dinabe fa mitaky ny hanamelohana ho faty avy hatrany. Ny tena loza dia ny fitsarana ivelany sy ny tendrom-po tsy mba namana satria mety misy amin’ireny voarohirohy ireny no tsy nanao ilay heloka akory fa tratran’ny tondro molotra sy ny fanendrikendrehana fotsiny ihany. Misoko miadana ny korontana sy savorovoro ary raha mitohy izao fitsaram-bahoaka sy fanafihana mpitandro filaminana ataon’ny fokonolona izao dia ahiana hiteraka ady saritaka eto amin’ny firenena. Matetika mantsy dia tsy manaiky ary manomana fanafihana sy valifaty hatrany ny olona akaiky sy havan’ireo maty novonoina tamin’ny fitsram-bahoaka. Mila mandray andrikitra ny Fanjakana fa zava-doza ity raharaha ity ary tsy azo atao ankilabao satria amoizana ain’olona hatrany isan’andro.
Ravalo tsy Manana