Ambohimangakely – Ramatoabe nampiambozonana akoho
Ramatoabe efa ho 60 taona mahery no tratran’ny fokonolona nangalatra akoho teny Ambohimangakely. Amin’ny maha vaviantitra azy dia tsy nisy sahy nikasi-tanana ny vahoaka na dia efa tena leo amin’ny halatra akoho amam-borona eny an-toerana aza. Nisy nilaza hoe aboridano dia asaivo haniny manta miaraka amin’ny volony ilay akoho. Tao ihany koa ireo nitsetra ary nanome soson-kevitra fa hampiambozonana ilay akoho izy ka entina mitety tanàna. Io hevitra farany io no notanterahan’ny rehetra nefa tsy nandeha lavitra akory dia nitolefika ilay vaviantitra. Nangoraka ny rehetra ka namotsotra azy ary tsy nisy nanaraka izay nalehany. Efa tena mampiaiky volana ny eny Ambohimangakely mihitsy ny halatr’akoho izay tena nirongatra be tato ho ato. Voalaza fa tsipazan’ireo olon-dratsy katsaka nolomana tamin’ny toaka ny akohon’olona mandehandeha eny an-dalana eny ka vao mihinana an’iny dia fanina sy mianjera amin’ny tany ka raofina fotsiny. Nisy nahatsikaritra mihitsy ilay ramatoabe mody nandalo sady nandraraka katsaka. Taorian’izay dia nisy akoho nitsipaka fotsiny tamin’izao. Nandrasan’ny tompon’akoho hiverina izy ka avy hatrany dia nibata ilay biby efa tsy nahatsiaro tena. Noraisim-potsiny izy avy eo.
Dom