Fifamoivoizana – Tsy voatana ny mpitarika sarety
Na dia eo aza ny fepetra hentitra noraisina handraràna ny mpitarika posy sy sarety tsy handeha eny amin’ny lalana handalovan’ny manam-pahefana sy ny vahiny dia tsy te hahalala izany ireo mivelona amin’io asa io fa nandeha ihany. Teny amin’ny digy izao dia sarety natosiky ny lehilahy miisa 3 mihitsy no nibahana ny lalana ka nanakana fiarakodia maromaro izay nampaneno kiririoka fa maika hamonjy fivorian’ny frankofonia eny Ivato hono. Teo Andohatapenaka ihany koa dia sarety taritin’omby mihitsy no nihodina teo amin’ny lalana natokana ho an’ny manam-pahefana. Hita fa tena fitadiavam-bola sy foto-pivelomana ho an’ny vahoaka madinika ny fitaterana taritin-tanana ka na dia fantatr’izy ireo mazava aza fa tsy azo atao dia tohizany ihany. Sarotra amin’ireo mpitarika sarety mantsy ny hitady asa vaovao hamelomana vady aman-janaka amin’izao andro efa anjakan’ny fahantrana izao. Mora ny mandrara nefa kosa tsy misy ny tan-tsoroka ho an’ireo voakasik’izany.
Omaly ihany koa ny Fanjakana dia namoaka fa hoferana ny fivezivezen’ny kamiao eto an-drenivohitra sy amin’ny toerana handalovan’ny vahiny. Noraisina izany fepetra izany mba hisorohana ny fitohanan’ny fifamoivoizana araka ny fanazavana. Rehefa tena jerena anefa dia tsy ny fitaovam-pitaterana samihafa izay mivezivezy hatramin’izay no mahatonga ny fitohanan’ny fifamoivoizana fa ny fisian’ireo fiarakodia omena tombondahiny handeha mialoha. Efa manomboka mampimenomenona ny vahoaka sahady ity resaka fanavakavahana amin’ny fampiasana ny lalana ity satria an’ny vahoaka malagasy ireny fotodrafitrasa ireny fa tsy an’ny vahiny sendra mandalo sy miserana fotsiny ihany.
Dom