Vous êtes ici :

Jeudi 28 Novembre 2024

ombre

Frankofonia – Fanapoizinana ara-tsakafo, olona roa naiditra hopitaly

Ankehitriny dia efa ao anatin’ny fihaonana an – tampony faha-16 ho an’ ny frankofonia tanteraka ny malagasy. Mitodika aty amintsika avokoa amin’izao fotoana izao ny fijerin’ny firenena manontolo ary fotoana iray hanamporofoana ny fahaiza-manaontsika izao na amin’ny fikarakarana na ny amin’ny fandraisam-bahiny. Vao fanombohany anefa dia efa nahitana lesoka sahady ity fihaonana ity satria fantatra fa mpizaikan’ny frankofonia roa no naiditra eny amin’ny hopitaly manara-penitra, Andohatapenaka vokatry ny fanapoizinana ara-tsakafo. Fantatra mazava anefa fa mivadibadika ny toetrandro ary vokatry ny hafanana diso tafahoatra dia mety hanimba ny sakafo izay tehirizina anaty vata fampangatsiahana. Mazava koa fa ny iray amin’ireo hotely mpampisakafo lehibe roa misahana ny momba ny sakafo amin’ity fihaonana an-tapony ity no tsy maintsy tompon’andraikitra amin’izao loza izao. Tsy hitombona mihitsy mantsy ny mety hivoahan’izy ireo hitady sakafo any ivelan’ny toerana nanaovana ny fivoriana rehetra. Miseho amin’izao tranga mahamenatra izao fa tsy misy ny fanaraha-maso ireo sakafo haroso amin’ireo mpizaika. Tsy vao izao mantsy no miseho ny tranga izao fa efa miseho matetika, eritreretina anefa fa zavatra bitika sy mandalo fotsiny. Mety hisy fiantraikany ratsy eo amin’ny endriky ny firenena malagasy noho izany izao zava-misy izao indrindra raha sendra ny olona sarotiny sy marefo ara-pahasalamana.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre