Tolo-tanana – Zaza marary mafy voan’ny homamiadana mila fanampiana maika
Mamy tokoa ny aina ary mamy mihoatra noho izany ny zanaka. Ankehitriny dia miha maro ireo zaza voan’ny aretina homamiadana eny amin’ireny hopitaly lehibe ireny. Vola aman-karena anefa no entina mitsabo azy ireny ary matetika dia very hevitra ny mpikarakara marary satria na efa lany aza ny eo am-pelantanana dia mbola tsy sitrana ny marary ary entina mody fotsiny. Toy izany indrindra no mahazo ity ankizy kely tsy mitonona anarana voan’ny homamiadan’ny tongotra ity. Raha ny voalazan’ny ray aman-drenin’ilay zaza dia efa amam-bolana maro no nitsaboana azy io tany amin’ny hopitaly. Mivonto be ny tongony havia ary tena manaintaina sy maharary azy tokoa izany. Lafo dia lafo ny vidim-panafody, sakafo, fikarakarana samihafa no vesatra niandry ireo ray aman-dreny tany amin’ny hopitaly, hany ka voatery nivarotra fananana mihitsy. Ankehitriny anefa dia lany ny eo am-pelantanana rehetra. Voatery navoaka ny toeram-pitsaboana noho izany ilay zaza izay tsy nahazo fahasitranana akory, noho ny hopitaly tsy mitazona ireo marary tsy mahavoaloa vidim-panafody sy ny fikarakarana maro hafa. Tsy afaka miasa intsony anefa ny ray aman-drenin’ilay zaza noho ny fanaraha-maso akaiky tsy maintsy atao azy. Tsy maharaka ny fivoaham-bola, hany ka sahirana mafy ity fianakaviana ity. Eo anatrehan’izany àry dia mangataka fanampiana avy amin’ireo mpiray tanindrazana sy vahiny ity fianakaviana iray ity, amin’ireo malala-tanana sy tsara sitrapo, na ara-bola izany na ara-pitsaboana. Ireo izay manana faniriana ny hanampy dia iangaviana handefa vola na hiantso ireto laharana manaraka ireto : 0343788639 – 0331439419. Marihina fa vola an-tapitrisany maro no ilaina amin’ny fitsaboana.
Ra Tax.