Mananara-Avaratra – Trano 150 tafo kilan’ny afo
Maro no nihevitra fa fanadiovana ny tanàna ny fahamaizana tetsy sy teroa talohan’ny fanomanana izao fandraisana ny fivoriamben’ny firenena miteny amin’ny ampahany na manontolo ny teny frantsay izao. Omaly Talata 22 novambra, izay andro voatondro nanokafana tamin’ny fomba ofisialy ity fihaonana goavana ity teto amin’ny renivohitr’i Madagasikara dia nisy haintrano mahatsiravina tany amin’ny kaominina Ambodisatrana, Kaominina Antanambaobe, ao anatin’ny distrikan’i Mananara- Avaratra. Trano 150 tafo no levon’ny afo tamin’izany. Anjaran’ny tompon’andraiki-panjakana ny mitondra fanampiana ho an’ireo traboina saingy mbola mivalona daholo aloha ny raharaham-pirenena amin’ity herinandro ity fa manaja vahiny ny mpitondra.