Vous êtes ici :

Mardi 26 Novembre 2024

ombre

Gasy alohan’ny gasy

Nahagaga ihany ny lohahevitra nentin’ny sekretera jeneralin’ny frankofonia izay nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly. Saika nifantoka betsaka tamin’ny fanomezana lesona ny vahoaka malagasy mantsy ny fanazavan-kevitra nataony. Naveriny tamin’izany ireo tsianjery famerimberin’ny mpitondra, toy ny hoe an’ny rehetra ny frankofonia, porofo mivainga io fa tafaverina tanteraka ao anatin’ny fianakaviamben’ny sehatra iraisam-pirenena i Madagasikara, sy ny hoe hitondra fampandrosoana goavana ho an’ity firenena ity io fihaonam-be io. Mihevitra angamba ity  vahiny ity fa tsy mbola nahare izany mihitsy ny vahoaka malagasy ary tsy mahatakatra izay mety ho tombontsoa azo avy amin’io fihaonana io. Toa misora-tena ho mpampianatra sy hanome lesona izy ary sahy miteny sy mandefa hafatra amin’ny vahoaka malagasy. Hadinony anefa fa tsy ampianarina ny fiainany ny vahoaka malagasy ary tsy azo fitahina amin’ny resa-be tsy hihinanan-kanina sy ny kajikajy ambony latabatra. Tsy misy mandà fa hitondra soa ho an’i Madagasikara sy ny ampahany amin’ny vahoaka ny fotodrafitrasa natsangana sy ny karazan’asa noforonina saingy kosa sarotra hinoana fa tena hitondra fampandrosoana ho an’ny firenena izany rehetra izany. Vao tamin’ity herinandro ity izao dia nahitana fisondrotany sahady ny vidin’ny henan-kisoa iray kilao. Mbola ao anatin’izao fivorian’ny frankofonia izao ihany koa no nandraisana fepetra tsy hahafahan’ny olona an-jatony manao ny asa fivelomany, nanajanonana ny mpianatra an’aliny tsy mahazo mamonjy ny sekoly…

Alohan’ny hitenenana mahakasika ny fiainam-pirenena sy ny fiainam-bahoaka dia tokony midina mijery ifotony ny manjo ny vahoaka malagasy ireny vahiny manam-pahefana ireny. Azon’izy ireo atao ny mijery tatitra sy antontan’isa ary raki-pahalalana any anaty birao any nefa matetika dia tsy mitovy amin’izay voasoratra ny fiainam-bahoaka. Tsara jerena ary maoderina toy ny any ivelany avokoa ny fotodrafitrasa andraisana ireo vahiny nefa tsy fantatr’izy ireo fa tsy toy ireny no iainan’ny malagasy. Eto an-drenivohitra izao dia mbola mipetraka amin’ny efitrano tsizarizary iray na roa ny ankamaroan’ny ankohonana. Mbola ambany dia ambany ihany koa ny olona manana herinaratra ary tsy resahina intsony ireo tsy manana rano tonga any an-tranony. Ankoatra ireo dia mbola mahantra ny 90 isanjaton’ny malagasy ary miaina ao anatin’ny tsy fahampian-tsakafo sy fahataram-pitomboana ny antsasaky ny zaza. Na inona na inona filazan’ny manam-pahaizana sy izay mihevitra azy ho tena sangany dia tsy hampiova velively izany ampahany amin’ny fahantran’ny vahoaka izany io fihaonamben’ny frankofonia io. Vao mainka aza mety hampihitatra ny fahantrana satria maro ireo voatery manajanona ny asa aman-draharahany andavanandro. Ahiana hiteraka savorovoro eto amin’ny firenena ihany koa ny nampiasana ny tetibola amin’io fivorian’ny frankofonia izao satria araka ny fantatra dia mbola maro amin’ireo orinasa madinika sy salantsalany voafidy ho mpiara-miombon’antoka amin’ny fikarakarana no tsy maintsy miandry ny fiafaran’ny fivoriana vao mandray vola. Efa niaraha-nahita anefa hatramin’izay teto Madagsaikara fa rehefa vita ny fandraisana hetsika lehibe toy izao dia tsy mahaloa volan’olona ny Fanjakana. Na tsy nisy nanodina aza ny vola dia ny Fanjakana mihitsy no mahantra tsy manana handoavana ka dia mifandrirarira an-taonany eny amin’ny tribonaly hatrany ny raharaha. Matetika dia tsy voaloan’ilay fitondrana nanao ny fifanarahana ny volan’olona ka ny fitondrana manaraka indray no voasazy manefa izany. Santionany ireo fa maro ny malagasy no tsy mankasitraka velively ny fandraisana ilay fivoriana satria mihevitra fa misy laharam-pahamehana hafa tokony hojerena akaiky. Tsy haharesy lahatra ny vahoaka malagasy mihitsy ny sekretera jeneralin’ny frankofonia raha mbola ao anaty fahantrana tanteraka ihany no ianan’ny mponina eto Madagasikara amin’izao fihaonamben’ny tany miteny frantsay izao. Tsaratsara kokoa ho azy angamba ny mifantoka amin’ny fihaonana fa tsy miditra amin’ny raharaham-pirenena.

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre