Fiangonana Advantista – Tontosa ny Mampifandray II
Mampifandray, tontosa tao amin’ny tokontanin’ny lisea Advantista Soamanandrariny ny andiany faharoa. Nanamarika ny andron’ny fifandraisana na ny Journée de la communication ny distrikan’ny fiangonana Advantitsta Soamanandrariny ny faran’ny herinandro teo, izay marihina fa andiany faharoa . Nisy ny fizaham-pahasalamana sy fanalana nify notontosain’ny Adra tamin’ny alalan’ny clinic dentaire mobile, fizahana maso maimaimpoana niaraka tamin’ny Institut de la Vision. Olona 250 isa avy amin’ny fianakaviana sahirana sady tsy mpino advantista no nisitraka izany. Teo koa ny fizarana Ppn tamin’ireo tokantrano 300 isa. Trano heva 08 no nanehoan’ny sampana rehetra teto amin’ny distrika ny asa nataony nandritra ny taona. Nandray anjara ny trano printy advantista sy ny Institut professionnelle de la coiffure et de l’Esthétique Ice. Tonga nanotrona ny fotoana ny tale tao amin’ny ministeran’ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana Drm, ny ben’ny tanànan’Ambohimangakely ary ireo voamieran’ny fahasalamana eo anivon’ny Kaominina. Notohizana tamin’ny fanehoana ny talentan’ny tanoran’ny fiangonana ny hetsika. Fiangonana 15 no mandrafitra ity distrikan’i Soamanandrariny ity, izay miparitaka amina kaomina telo dia Ambohimangakely, Ankadikely Ilafy ary Antananarivo renivohitra.
Nangon’i S.A