Vous êtes ici :

Mardi 26 Novembre 2024

ombre

Maraoka-Madagasikara – Hampihena ny fanafarana vary avy any ivelany

Ny vary no foto-tsakafon’ny Malagasy ary tena zava-dehibe amin’ny fiainana andavanandron’ny mponina izany. Mamboly vary  ny malagasy fa saingy tsy maharaka amin’ny filàna anatiny izany. Efa manao ny ezaka rehetra tokoa ny fitondrana malagasy mba hijery vahaolana mikasika izany. Ny fiaraha-miasa amin’ny fanjakana maraokanina no mety hanalefaka ny fiankinan-doha amin’ny vokatra avy any ivelany eo amin’ny seha-pambolena. Noraisin’ny filoham-pirenena malagasy ny minisitra misahana ny fambolena sy ny jono an-dranomasina, Aziz Akhannouch sy ny  Filoha tale jeneralin’ny vondrona Ocp, Mostafa Terrab. Nodinihina tamin’izany fihaonana izany ny hijerena tetikasa mba hanamafisana orina ny fiaraha-miasa efa misy eo amin’ny firenena roa tonta. Ka ny sehatry ny fambolena no tena  hifantohana bebe kokoa ka nampitondrana ny anarana hoe “ Caravane de la fértilité”. Amin’ny taona 2017 no hanomboka ny tetikasa. Hisy ireny trano fitiliana na “laboratoire” manara-penitra ireny homena an’i Madagasikara mba hahafahana handinika ny karazan-tany sy ny toe-tany lonaka misy eto.  Tany mirefy iray hetsy hekitara eo ho eo no hanaovana fanandramana mikasika izany sy hanaovana fanaraha-maso ny zezika mety amin’ny karazan-tany misy eto amintsika. Marihina fa ny Maraokanina dia firenena manana traikefa amin’ny famokarana zezika mifandraika amin’ny fanatsarana ny toe-tany. Noho izany, hitondra fivoarana lehibe amin’ny famokarana eto Madagasikara izany fiaraha-miasa amin’ny fanjakana maraokanina izany raha tahiany ka tanteraka tokoa. Mety hitombo avo roa heny ny famokaram-bary eto amintsika ary hihena hoazy ny fanafarana vary avy any ivelany.

 

Safidy Andrianina

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre